Taratra

Fampandrosoana eny ifotony: tsy mitantana ny volan’ny Ciad ireo depiote

Nitondra fanazavana momba ny fitantanana sy ny fampiasana ny vola avy amin’ny “Crédit d’investissement destiné à l’appui au développement” (Ciad) ny eo anivon’ny birao maharitra, ny depiote Bruno Assimo, solombavambahoaka voafidy tao Ambilobe. « Tsy mitantana ny vola 250 000 000 Ar isan-taona izahay depiote », hoy izy. Nambarany fa […]

 Nivoitra nandritra ny hetsika “Foire pédagogique”, andiany voalohany, tany Toliara, ny maha zava-dehibe ny fanomezan-danja ny famoronana sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny mpampianatra hoenti-manavao sy manatsara ny fomba fampianarana. Hampifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny izany. Nisy koa ny fifa­nakalozan-kevitra mahakasika ny zava-misy iainan’ny sehatry ny fanabeazana, namantarana ireo olana sedraina sy nandrosoana […]

Fanohanana ny tanora: hiara-hiasa ny METFP sy ny Asmae

Notanterahina omaly ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana tek­nika sy ny fanofanana arakasa sy ny Association sœur Emma­nuelle (Asmae). Tanjona ny hanamafisana ny fanohanana ny tanora eo amin’ny sehatry ny fitarihana sy torolalana momba ny fianarana sy ny asa, ny fanofanana, ny fampive­larana ny fahaiza-manao ary ny fampidirana […]

Toetry ny andro: mety hahatratra 6°C ny maripana ny maraina

Varatraza antonony na matanjaka no handrafitra ny toetry ny andro ho an’ny afovoantany sy ny faritra atsinanan’ny Nosy. Harahina rivotra mafy izany anio sy rahampitso. Hihamalefaka miandalana izany manomboka ny alaka­misy mankany amin’ny faran’ ny herinandro. Misy ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsiraka […]

Laza adina bakalorea 2027: handray anjara amin’ny famola­volana ny sekoly tsy miankina

Misokatra hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiantohana ny fanatanterahana sy ny fahombiazan’ireo fanatsarana hatao hiantohana ny kalitaon’ny fampianarana izany. “Hisokatra amin’ny vo­lana janoary 2027 ny fisoratana anarana ary hihatra amin’ny fanadinana bakalorea 2027 ny sokajy L, […]