Taratra

Fikaonandohan’ny antoko : Mitaky ny hanavaozana ny sehatra ny MMM

Nitohy tany Manakara indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ary mbola nanamafy hatrany fa ilaina ny fametrahana faritra mahazaka tena hipetrahan’ny tena fampandrosoana. Tsy tokony hijanona eo fotsiny anefa izany, fa ilaina miara-dalana amin’izany ihany koa ny fanatanterahana ny […]

Tsingerintaon’ny tolona 2025: Tsy mampitovy fijery ny fanaovana hetsi-pahatsiarovana

Hitsingerina ny 25 septambra izao ny tolona notarihin’ny Gen Z. Hisy ny hetsi-pahatsiarovana izany izay miteraka tsy fitoviam-pijery amin’ireo ankolafin-kery isan-tsokajiny. Rindran-kira ara-pilazan­tsara, fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana… Hetsi-pahatsiarovana ny tsingerintaon’ny tolona 2025 ireo. Eo koa ny fandraisam-pitenenan’ireo tomponandraiki-panjakana, ny tsiahin’ny zava-nitranga, ny diabe Anta­nim­barinandriana-Kianjan’ny 13 mey. Hisy koa ny fitokanana takela-pahatsiarovana, ny […]

TSELATRA

Lehilahy nihazona vola sandoka mitentina 2 600 000Ar voasambotra tao amin’ny kaominina Anka­dinondry, distrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly. Noka­sainy hatakalo vola tena izy, mitentina 10 000Ar ny 20 000Ar sandoka. Naharay fampitam-baovao momba io tranga io ny zandary. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy sy nanara-maso ny olona voatonona anarana. Tratra tokoa ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fanapariahana […]

Nandroba mpanao Cash point : Jiolahy roa lahy maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny poa-basy teny amin’ny manodidina ny trano dimy, Ampangabe, boriborintany fahefatra, ny alin’ny alatsinainy 14 septambra teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Anos­ibe Ambilanibe, talohan’io tranga io. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny vola teny amin’ity renim-pianakaviana. Naratra vokatry ny herisetra nataon’ny jiolahy azy ilay ramatoa. Jiolahy roa lahy naneho fihetsika […]

Notafihan’ny jiolahy efatra : Telo mianaka naratra, voaroba ny vola

Voatery manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly, vokatry ny daroka sy vono nahazo azy, ny raim-pianakaviana iray ao amin’ny fokontany Ambodisaina, kaominina Toama­sina, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 14 septambra lasa teo. Nanao saron-tava avokoa ireo jiolahy miisa efatra izay niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano lasibatra. « Nizarazara nisava ny tato […]