Nisantarana ny « Antsa tononkalo mitety faritra » ny teny amin’ny Akany Avoko Faravohitra. Nitsidika ireo ankizy beazina ao, niantso tononkalo ary niresadresaka ireo poeta avy amin’ny Faribolana Sandratra, ny alahady teo. Nitondra fitaovam-pianarana ihany koa hanampiana ireo mpianatra. Hisokatra ny fiofanana « Tremplin madajazzcar 2026 ». Sady fisantarana sahady ny hetsika izy ity, […]
Taratra
Filatex: nahazo jiro manazava ny Rovan’i Madagasikara
Mandray anjara amin’ny Andraikitry ny orinasa ho an’ny fiarahamonina ny vondrona Filatex. Notokanana ny 11 septambra teo ireo jiro manazava ny tokotanin’ny Rovan’i Madagasikara eny Manjakamiadana, notarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Gascar Fenosoa. Nanatanteraka ny tetikasa ny orinasa Filatex, niaraka tamin’ny minisitera sy ny Antokondraharaha Ormada. Mandeha […]
«Miss Madagascar 2026 »: hatao ny 19 desambra izao ny famaranana
Efa maromaro ny faritra manana « Miss 2026 ». Hiakatra aty Antananarivo avokoa izy ireo, hiady ny anaram-boninahitra ka hisolo tena an’i Madagasikara any ivelany. Vaovao lehibe avy amin’ ny Comité Miss Madagascar na ny CMM. Hatao eto Antananarivo, ny 19 desambra, ny famaranana ny fifaninanana « Miss Madagascar 2026 ». Io izany ny […]
Vaovao tambatra
Avo ny ambana mety hisian’ny afo, miloko volomboasary, ankehitriny, any amin’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana, Melaky ary Menabe, araka ny vinavina nomen’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Ilaina mivonona ny rehetra amin’ny fandraisana fepetra mifandraika amin’izany. Somary ambonimbony kosa ny ambana, miloko mavo, any amin’ny ilany avaratra andrefana, afovoany atsimo, atsimo andrefana […]
Jirama: tonga ny kojakoja ho an’ny TAC 1
Tonga eto Madagasikara, ny alahady teo, ny kojakoja nafarana avy any ivelany hanarenana ny milina mpihary herinaratra TAC 1 eny Ambohimanambola. Novinavinaina ho efa omaly alatsinainy no vita ny fametrahana azy ireo ka hiverina amin’ ny laoniny ny tanjaka 15MW hatramin’ny 18 MW, mamatsy ny tambajotra RIA Antananarivo. Mandalo eto […]




