Nitondra ny traikefany ho an’ny Malagasy ny delegasionina ivoarianina momba ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa nandritra ny herinandro, teny Ankorondrano. Voakasika manokana ny ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Richard Jean Bosco. […]
Taratra
Kaominina Antananarivo Renivohitra: mifanohana ny ben’ny Tanàna sy ny zokiolona
Ho fanamafisana ny fiarahana sy fiaraha-miasa miaraka amin’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nisy ny fiaraha-misakafo tamin’ireo mpiasa efa misotro ronono ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny zaridaina Anosy. Mahatsapa mbola manana adidy amin’ny fanampiana ny mpitantana sy ireo zandry mpiara-miasa amin’ny fanoroana azy ireo ny zoky. Ray aman-dreny […]
Mahajanga : hihatra ny fakana haba amin’ny elo sy parasol
Mandritra ny fetin’ny paska izay maha-betsaka ny olona eny amin’ny torapasika no hampiharana indray ny fakana ny haba ho an’ny elo sy ny parasol. Izany dia araka ny tapaky ny kaominina ao Mahajanga. Nivory ireo tomponandraikitra sy mpampanofa elo eny amin’ny Petite Plage sy Grand-Pavois nidinika mahakasika izany. Ho fampiharana […]
Fetin’ny Paska: tsy mahasakana ny vahoaka hifety ny fiakaran’ny vidim-piainana
Niala voly ny ankamaroan’ny Malagasy, omaly alatsinain’ny paska. Samy nifaly sy nampifaly ny fianakaviana ny rehetra. Tsy hita soritra izay fiakaran’ny vidim-piainana. Fety tetsy, lanonana teroa. Nankalaza ny fetin’ny paska, araka izay teo ampelatanany ny Malagasy. Azo lazaina fa toy ny isan-taona Nisomebiseby sy nifanitsa-kitro ny vahoaka. Nahitana mpitsangatsangana maro […]
Mantasoa : 20mn ny faharetan’ny fandehanana lakana
Nidinika nanomana ny fiatrehana ny fetin’ny Paska, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF), ny alakamisy 6 avrily teo. Ho an’ny tany Mantasoa, tsy maintsy nandalo fanamarihana avokoa ny lakana rehetra nandeha. Toerana telo no azo niaingana, teny Ampasimpotsy Ambatolaona, Hôtel Ermitage ary ny faritra misy ny biraon’ny […]