Nitsidika an’i Madagasikara, ny herinandro lasa teo, ny sekretera jeneraly lefitry ny Firenena mikambana sady mpandrindra ny fiatrehana ny El Nino – La Nina sy ny krizy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, Reena Ghelani. Nanokana fotoana hitsidihana ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) izy, nandritra […]
Taratra
Ady amin’ny «choléra»: mila hamafisina ny fisorohana sy ny fahadiovana
Mananontanona an’i Madagasikara ny valanaretina «choléra». Mila hamafisina ny fiarovana rehetra, indrindra ny fahadiovana. Mila manatona dokotera avy hatrany vao misy tranga mampiahiahy. Nanao fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fahamailoana sy fitandremana hisorohana ny valanaretina «choléra» izay mananontanona satria efa mandripaka atsy Mozambika sy ny Nosy Comores. Aretina haingam-pifindra ary […]
Varotra ivelany: 28,5 miliara Ar ny vola nalaina tamin’ny lavanila
Hentitra ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, manoloana ny resabe momba ny fanondranana lavanila. Vonona hampanjaka ny mangarahara ny tenany ka nilaza fa “ao amin’ ny kitapom-bolan’ny CNV (filankevitra nasionaly momba ny lavanila) ny 28,5 miliara Ar tsy nisy nipika”. Ity ilay vola 4 dolara […]
« Salon international du tourisme 2024 »: nampahafantarana ny hakanton’ i Nosy Be
Notanterahina nandritra ny telo andro, tany Milan-Italie, ny «Salon international du tourisme, BIT 2024″, izay nandraisan’i Madagasikara anjara, amin’ny alalan’ireo delegasion’ ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Naseho nandritra ireo fotoana ireo ny hakantaon’ny nosy sy ireo mampiavaka azy. « Tombony tamin’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny harena […]
Tao anatin’ny 11 volana: nilanja 384 021 taonina ny vary nafarana
Nihena hatrany amin’ny 43,61% ny taham-panafaran’i Madagasikara vary, nandritra ny 11 volana, voalohan’ny taona 2023. Ny volana novambra teo, nihena 12 562 t ny vary nafarantsika raha toa ka manodidina ny 76 817 t izany ny volana novambra 2022. Milanja hatrany amin’ny 114 407 t ny vary nafaran’ny firenena malagasy teo anelanelan’ny volana […]




