Taratra

Anjozorobe : dahalo telo lahy mpangalatr’omby lavo

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny fokontany Beanana, kaominina Androvakely, distrikan’ Anjozorobe ireo malaso telo lahy nangalatr’omby. Nanao ity asa ratsiny ity tao Antanimenakely, fokontany Ambohitsaratany, ny alahady teo ireto dahalo. Tsy nipetra-potsiny manoloana izany ny zandarimaria avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ime­rina centrale. Raikitra ny fanarahan-dia sy […]

Anosibe : mpanao trano handeha hiasa voaendaka

Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahelamana eny Anosibe sy ny manodidina raha tsy hilaza afa-tsy ny eny Mandrangobato I. Raim-pianakaviana iray handeha hiasa vao maraina no nendahin’ny jiolahy omaly teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo Mandrangobato I. Tsy vitan’izay fa voatsatoka antsy teo amin’ny kibony izy tamin’io fotoana io. Voalaza fa mpanao […]

Ambohidratrimo : jiolahy efatra voasambotra

Efa-dahy mpangalatra akoho amam-borona tra-tehaky ny zandary nanao fisafoana ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 1 marsa teo. Nisy nampandre ny mpitandro filaminana fa misy olona misokitra ny trano ao amin’ny fokontany Fiakarana, kaominina Anosiala. Teo am-panantontosana ny fisafoana, namaly avy hatrany ny antson’ireo lasibatra ny zandary. Tonga teo an-toerana, […]

Zazavavy nampijaliana: raikely sy ny reny niteraka naiditra am-ponja

Habibiana mihoapampana ny nataona renim-pianakaviana iray sy ny vadiny nahavita nidaroka mafy ny zanany vavikely vao efa-taona monja. Naratra mafy ilay zaza, nalefa eny am-ponja vonjimaika kosa ny reniny sy rangahy vadiny. Miandry ny fotoam-pitsarana azy ao amin’ny fonjan’ Am­ba­tolampy nanomboka ny alarobia teo ireo mpivady nikapoka sy nidaroka zazavavikely […]

Kitra any ivelany : hanala vela amin’ny Barca ny Real Madrid

Hotanterahina anio ny lalao manasa-dalana mandroso ny fifaninanana “Copa Del Rei” any Espaina. Hihaona amin’ny Barcelone Fc ny Real Madrid Fc. Lalao hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny San­tiago bernabeu. Hanala vela amin’ny fihaonan’ny roa tonta ny Real Madrid. Tsiahi­vina fa resin’ny Barça tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Real, nandritra […]