Hamonjy ny fampivondronana faharoa any Frantsa ny Ankoay U19, rahampitso. Tsy isan’ny delegasiona, Rakotonanahary Donovan. Afaka hiatrika ny fifaninanana “World Cup 2023” any Hongrie kosa izy. Hiainga eto Madagasikara rahampitso, hihazo an’i Frantsa ny ekipam-pirenena Ankoay U-19. Misy mpilalao ny 14, sy mpanazatra roa, ary tomponandraikitra 4 ny delegasiona. Tsy […]
Taratra
Fampianarana ambony : feno 20 taona ny fikambanam-behivavy avarapianarana
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Pr Assoumacou Elia Beatrice, ireo vehivavy avara-pianarana siantifika, tamin’ity herinandro ity. Namaritra ny tetikasa hoentiny hanamarihana ny faha-20 taona nijoroan’ny fikambanany izy ireo tamin’izany. Nisy ny fanazavana ny tondrozotra vaovao, hampivelarana ny fikambanana. Tanjona ny mba ho mpandray anjara feno […]
Fetin’ny Paka: hanoram-baratra isaky ny hariva
Hanoram-baratra ny faritra maro eto Madagasikara indrindra ny amin’ny ilany andrefana, Atsimo ary ny Afovoan-tany ho an’ny faran’ny herinandro. Anio, hanorana malefaka sy handrahona ny tapany maraina ho an’ny faritra Menabe, Amoron’i Mania indrindra ny vao maraina. Hahazo orana tandrifin-drahona kosa ny tolakandro any Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy. […]
Zanakazo 1 000 voavoly : namita adidy ny ben’ny Tanàna sy fikambanana maro
Niara-nisalahy namboly zanakazo 1 000 fototra, teny Andohatapenaka, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ireo fikambanana maro toy ny FMF, ny Mazava loha, fikambanan’ny mpivarotra sy ireo mpanao fanatanjahantena… Tafiditra ao anatin’ny veliranon’Iarivo ny fambolena zanakazo, hananana tontolo maitso sy mahafinaritra. Anisan’izany ny fampirisihana ny mponina amin’ny fambolen-kazo toy […]
Tetikasa “Lalankely 3”: ho fampandrosoana sy fanatsarana ny tanàna
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 6 Avrily 2023, ireo asa vita tao anatin’ny tetikasa “Lalankely 3”. Fotodrafitrasa 1000 mahery no nokasaina ho tanterahina tamin’izany. Ny 80% tamin’ireo no vita ka izao tokanana sy atolotra ho ampiasain’ny mponina izao. Ankoatran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misitraka ity tetikasa ity ihany koa ny kaominina […]