Taratra

Fikaroham-bahaolana: handrafitra ny fanorenam-pirenena ny FFKM

Hotanterahina any Ambatondrazaka, manomboka rahampitso, ny komity foibe andiany faha-44 eo anivon’ny FFKM. Hamoaka ny fehinkevitra amin’ny famaranana izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tafiditra ao anatin’izany ny fiainam-pirenena ankapobeny sy ny vahaolana avy amin’izy ireo momba izany. “Tsy mivaona amin’ny fanorenam-pirenena izany fehinkevitra izany”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny FFKM. […]

INDRAIMBAVA: Ny tody tsy misy !

O rey olona a! na biby izay heverintsika ho tsisy fanahy aza angamba tsy manao ho toy ny olona sasantsasany. Ankona ny tena raha nahita ny vaovao nampitaina, niaraka tamin’ny sarin-javavikely iray voaolana sady niboraka tsinay. Torak’izany ny zaza iray hafa notapahin-doha rehefa avy nanaovana ny filan-dratsy. Nihorona ny hodi-doha, […]

Itaosy: zandary roa saika hovonoina

Nokasain’ny tovolahy miisa telo hovonoina ny zandary roa lahy nanao fisafoana, afakomaly alina. Teo amin’ny Horizon Bemasoandro Itaosy no nisehoan’izany. Tsatok’antsy ! Io no navalin’ireo telo lahy rehefa nasain’ny zandary namonjy fodiana izy ireo, ny alin’ny alahady teo. Teo am-panaovana fisafoana amin’ny alina hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny toerana iny, […]

Halatra moto: jiolahy roa voasambotra

Voasambotry ny polisy ireo jiolahy miisa roa nangalatra moto. Tokantrano iray tetsy Ambodihady Ankadindramamy no lasibatr’izy ireo, ny  zoma teo ka niantso polisy avy hatrany. Raikitra ny fanenjehana taorian’izay. Natao ny vela-pandrika ka nanaraka ny lalan’ireto jiolahy ireto ny polisy. Vokany, tratra teny Andranomena  niaraka tamin’ilay  moto ireo jiolahy, hoy […]

Mpandroba Cash point: jiolahy manao fanamiana miaramila voasambotra

Tratra ihany! Nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny jiolahy mpanafika amina Cash point tetsy Andranovao Ambohimangakely, ny alahady teo. Malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ireo mpitsinjara vola amin’ny alalan’ny finday nanerana ny renivohitra, natao hazalambo ity jiolahy ity. Naharay angom-baovao ny polisy avy etsy 67 ha ka tonga teny […]