Taratra

FANTINA sy FINTINA

“Ho amin’ny tsaratsara kokoa ny politika ankapoben’ny fanjakana, ary tsy izahay no sakana amin’izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, tetsy Anosikely. Anisan’ny handalo eny amin’izy ireo ny momba izany amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Nitohy omaly, ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny any Alzeria. Nihaona […]

Ravalomanana Marc : “Tsy maintsy ampiakarina ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy”

Nifampiarahaba tratry ny taona ny antoko Tim, ny faran’ ny herinandro teo, teny Fara­vohitra. Nanotrona ny filoha mpanorina, Ravalomanana Marc, ny solontenan’ireo mpitarika ny antoko isam-paritra sy manerana ny renivohi-paritany eto Madagasikara. Niom­pana tamin’ny fiatrehana ny fifidianana ny lahateny nataon’ ny filoha teo aloha. Nam­barany fa : “Zo sy adidy […]

Mpanentsin-keloka !

  Trangam-piarahamonina iray tena nahakivy sy nahaketraka ary nahatezitra no nitranga omaly, teny Manarintsoa. Maty noho ny kapoka nataon’ny raikeliny hoe ilay zazavavikely? Nahaontsa ny nijery ilay vaovao niely. Tena nanohina mafy ary samy naneho fihetsehampo daholo izay nahita tamin’ny tambajotran-tserasera. Homboy ! homboy ! sambory ! gadrao ! izany avokoa ny antsoantson’ny mpanara-baovao. […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : nandiso ny vaovao miely momba ny tetiandrom-pifidianana

Tsy marina ny filazana fa namoaka ny tetiandrom-pifidianana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Nanamafy izany izy, omaly, teny Tsimbazaza. Hentitra sy nahitsy! “Tsy mbola nisy tetiandro momba ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ ny Tanàna nivoaka hatreto. Mbola an-dalana ny famolavolan’ny governemanta izany”, hoy ny […]

TSELATRA

Nandoa vola mitentina 30 tapitrisa Ar ny fianakavian’ireo olona telo, takalonaina tao Ankazobe, izay votsotra ny sabotsy 27 janaory teo. Tsy namelan’ireo olon-dratsy hatramin’ny farany raha tsy nanome ny vola ny havan’izy ireo nandritra ny fanafihana ny 23 janaory teo. Roa lahy mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anivorano, […]