Betsaka ny olona manao ny asan’ny infirmiera manerana ny Nosy noho ny tandrevaky ny tomponandraikitra. Vokany, hiala tsy ho mpikambana ao anatin’ny fiombonan’ny holafitry ny sehatrasa fahasalamana ny infirmiera. Notanterahina teto Antananarivo ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny Holafitra nasionalin’ny infirmiera sy ny biraom-paritra 23. Nanao fanambarana ny filohan’ny holafitra, Andrianarison […]
Taratra
MJS : hanohana ny vinan’ny Tily Madagasikara
Naneho ny fahavononany amin’ny fanohanana ny vinan’ ny Tily Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambaran’ny minisitra, Resampa André Haja izany, ny sabotsy lasa teo. Nanararaotra ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Tily, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, izy nilazana izany. Vinan’ ny Tily ny hanangana orinasa 100 amin’izao faha-100 […]
“Can” – Ampahavalon-dalana: hifanandrina ny tompon-trano sy ny tompondaka
Notontosaina nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny lalao ampahavalon-dalana fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika «Can 2023», taranja baolina kitra, izay atao any Côte d’Ivoire. Raha ho an’ny anio, hihaona amin’ny Eléphant, Côte d’Ivoire, mpampiantrano, ny Lion de la Teranga Sénégal, tompondaka farany. Tsiahivina fa anisan’ireo firenena voasokajy ho laharana fahatelo […]
DAKA AN-JORONY: Atsangano ny maty
Mahafaly ny rehetra tato anatin’ny taona vitsivitsy ny fisian’ny kianja manara-penitra, ho an’ny taranja baolina kitra isaky ny distrika sy ny faritra eto Madagasikara. Mahavelombolo ny mpankafy ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity, izany. Anisan’ny mahazo tombony ny tanora. Na eo aza izany fandrosoana izany, mampametra-panontaniana ny maro ny zava-misy, tsy […]
Madagascar Aquatics : lany ho filoha Raveloson Rolland Mick
Tontosa ny sabotsy 27 janoary lasa teo, teny amin’ny Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny Madagascar Aquatics na ny Federasiona malagasin’ ny lomano. Lany nandritra izany, Raveloson Rolland Mick. Ligy 7 no tonga nandatsa-bato tamin’ny fifidianana. Samy nifidy avokoa ireo nandatsa-bato. 5 […]




