Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanakaikezana ny mpanao asa tanana ho fampiroboroboana ny seha-pihariny sy hitondram-bahaolana ho an’ny sehatrasa ataony. Tonga nitsidika toerana mpanodina tandrok’omby iray ao Imerintsiatosika, noho izany, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, ny zoma teo. Tapaka nandritra ny fifampiresahan’ny roa tonta fa […]
Taratra
Qatar Airways: hanao sidina eto Madagasikara isan’andro
Misokatra ho an’ny firenena avy ao Moyen Orient ny lanitr’i Madagasikara. Hanao sidina mandritra ny herinandro mampifandray amin’ny firenentsika ny kaompania Qatar Airways. Hitombo ny isan’ny sidina iraisam-pirenena hampitohy an’i Madagasikara amin’ireo firenena any ivelany. Natao ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny […]
INDRAY MIJERY
Miangavy ny fanjakana hampiditra ny fahaiza-miaina, ny fanajana ny soatoavina, ny tantaran’i Madagasikara amin’ny taranja any an-dakilasy ny tomponandraikitry ny fikambanana Tily sy Mpanazava eto Madagasikara. Ilaina amin’ny fanabeazana izany. Nandritra ny fisantarana ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Tily no nanambarany izany ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina. Tombanana hiakatra […]
Tetikasa “JMCT” : paikadin’ny sekoly teknika sy ny tsy miankina
Ao anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail, JMCT” iarahan’ny AUF sy ny Université Trois rivières ary ny kanadianina, ny fampiakarana ny tahan’ny mpianatra mivoaka amin’ny sekoly teknika sy fanofanana arakasa hahita asa sy hahafehy avy hatrany ny fiofanana norantoviny. Misy sehatra telo ao anatin’izany ka iray amin’ireo ny fampiofanana […]
Ambohimanambola: hanavao ny tanàna ny Mitia Soa
Nihaona tamin’ireo herivelona tao an-tanànan’Ambohimanambola ny fikambanana Mitia Soa tamin’ity herinandro ity. Nivoitra tamin’izany ireo tena maharary ny mponina: ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahampian’ny rano madio fisotro. Nilaza ny filoha mpanorina ny fikambanana, Nofinirina Tinasoa Andrianasolo, fa tafiditra ao anatin’ny vinan’izy ireo ny hanarina ny tanàna, indrindra hitondra […]




