Taratra

Nisoloky 100 tapitrisa Ar: teratany vahiny efatra naiditra am-ponja

Teratany tchadien iray voalaza fa manam-pahaizana momba ny informatika nivoaka tao amin’ny oniversiten’i Moscou no lehiben’ny tambajotra mpisoloky amin’ny resaka “Trading”. Teo koa ireo teratany camerounais roa lahy sy gabonais iray ary Malagasy telo izay samy voasambotry ny polisy avokoa. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, eo amin’ny tambajotran-tserasera facebook no […]

Tsy noraharahian-dreniny : maty tao anaty hirifiry i Lalie kely

Maty tao anatin’ny fijaliana tanteraka i Lalie Kely, zaza vao roa taona monja. Tsy noraharahian-dreniny izy. Voalazan’ny polisy fa novonoin’ny raikeliny koa, tetsy Manarintsoa Afovoany. Mampahonena ! Mafy ny nanjo an’i Lalie kely no­ho ny herisetra ni­an­jady taminy. Nanampy trotraka ny fandaozan’i Sarobidy, reniny azy. Raha ny hita om­aly, tetsy Manarintsoa […]

Antsirabe sy Betafo: mihodina ny taninketsa indostrialy

Am-perinasa tanteraka ny milina mpanodim-bokatra na­petraky ny minisitry ny Fam­piroboroboana ny indostria sy ny varotra, (MIC) Razafindra­vahy Edgard, ao Antsirabe I sy Betafo, ny sabotsy teo. Mamokatra paoma hatrany amin’ny 10 000 t isaky ny taom-pamokarana Antsirabe. Noho izany, hanodina paoma 500 kg isan’ora ny milina fanamboarana “cidre”, hotantanin’ny Ampalia Madagasi­kara, […]

VAOVAO TAMBATRA

 Handray anjara amin’ny hetsika « Borsa Internazionale del Turismo (BIT) Milano 2024 » ny 4-6 febroary, ao Italie, ny  delegasiona avy amin’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Fotoana hampahafantarana ny zavaboahary sy ny hakanton’ny Nosy, indrindra ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany.  Hamokatra zana-trondro manodidina ny 5 tapitrisa isan-taona […]