Nirefotra ny basy tao amin’ny tsenan’Andravoahangy. Lasan’ny jiolahy ny vola. Mpandalo iray voatifitra. Norobain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 4 tapitrisa Ar tao amin’ny tsenam-barotra iray etsy Andravoahangy, afakomaly atoandro. “Nijoro teo alohan’ny tsena ny lehilahy iray nitana basy ary niditra nitaky vola ny roa lahy”, hoy ny tompon-tsena lasibatra. […]
Taratra
STAR : mpiasa 566 nahazo mari-boninahitra
Tontosa ny herinandro teo ny lanonana fifampiarahabana teo amin’ny samy mpiasan’ny STAR. Nohararaotina, nandritra izany, ihany koa ny fanomezana medaly sy mari-boninahitra ireo mpiasa mendrika. Miisa 566 ny nisitraka izany, avy amin’ny masoivoho Star manerana ny Nosy : 4 ny “Commandeur de l’Ordre National”, 23 ny “Officier de l’Ordre National”, […]
Famokarana: hatsaraina ny fiaraha-miasa
Natao ny alakamisy teo, teny Anosy, ny dinika niarahan’ny tantsaha mpamokatra manerana an’i Madagasikara sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratoharijaona Rakotoarisolo Suzelin. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny zava-misy sy ny lesoky ny fiaraha-miasa hatramin’izay teo amin’ny minisitera sy ny vondron’ny tantsaha mpamokatra. Samy nitondra ny hetahetany sy […]
Jono : mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny PADM
“Mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny tetikasa fiompiana trondro maharitra eto Madagasikara (PADM) noho ny ezaka nataony. Namorona asa manodidina ny 5 120 koa ny tetikasa”, hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, nandritra ny atrikasa famaranana ny tetikasa “PADM” tetsy Ambodivona, omaly. Vaindohan-draharahan’ ny tetikasa […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafiditra ao anatin’ireo firenena 11 tsara tsidihina indrindra maneran-tany, mandritra ny taona 2024, i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny gazety Vogue. Miavaka ny hakanton’i Madagasikara, noho izy manana karazan-javamananaina miavaka sy tsy fahita maneran-tany. Tokantrano 4 tapitrisa no hisitraka ireo fitaovam-pahazavana mandeha amin’ny masoandro mandritra ity taona ity. Hapetraka ihany […]




