Taratra

Tan-dalàna

  Mirongatra ny fakana an-keriny, fanolanana, herisetra… ? Eo koa ny fisolokiana, fisandohana, fanambakana… Misy ny hoe tsy matahotra na iza na iza, fa mahalala olona, hono. Fahantrana no hoe antony? Mahantra hatramin’ny saina… Fa lehibe koa ny tsy fanarahan-dalàna, tsy fahatahorana na tsy firaharahana fanjakana: na mpitandro filaminana io, […]

Rasoamaromaka Hery : “Aleo hitambatra ny fifidianana kaominaly sy depiote”

Mipoitra avokoa ny tolokevitra rehetra. Manana ny fijeriny ny amin’ny hanatanterahana ny fifidianana depiote sy ny ben’ny Tanàna ary ny mpanolotsaina ny eo anivon’ny TGV. “Tsy fantatra izay mbola ho fanapahan-kevitry ny rehetra. Raha ny eritreritro manokana, tsy manam-bola isika dia aleo hitambatra ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. […]

TSELATRA

Votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an- keriny ireo takalonaina telo ny 27 janoary tamin’ny 06 ora hariva, tao avaratr’i Tsaramasoandrokely, fokontany Manerinerina, kaominina Ambanivohitra Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe. Nahery vaika ny hetsika fam­pandrian-tany nataon’ny tafika sy ny zandary tao an-toerana ka nahitam-bokany izany. Naratra ireo mpandeha 13 tao anaty taxi-be 192 nofaohan’ny kamiao […]

Famonoana mpandraharaha : dimy lahy naiditra am-ponja

Notanana am-ponja, taorian’ny fitsarana azy, ny zoma 26 janoary teo avokoa, ireo dimy lahy namono mpandraharaha tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanana. Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no maty novonoin’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana, ny 6 janoary 2024 maraina. Voakapa famaky teo amin’ny lohany izy, tsy vitan’izay fa […]