Taratra

Sehatra bagasy: hisy ny « Atrikefa fintina 2023 »

Nohatevenina ny hetsika « Sehatra Bagasy » febroary 2024. Hotanterahina ny sabotsy 3 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny IKM Antsahavola, ny « Atrikefa sehatra bagasy fintina 2023 ». « Hofintinina amin’ny alalan’ny sary sy feo voarindra ireo sahanasa 2023 notanterahin’ny  Sehatra bagasy  nandritra ny taona 2023 », hoy Ratefiarison Lydie, filohan’ity […]

12 taona ny « Sorakanto »: « Somary ambanin-javatra ny vaovao kolontsaina », hoy i Faly Randria

« Sorakanto » ivondronan’ireo mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina. Mandia ny faha-12 taonany ny fikambanana ankehitriny. Maneho ny heviny momba ity tontolo iray ity Randriamiarantsoa Faly, filohan’ny « Sorakanto ». Nisy ny dingana vita… Mbola maro ihany koa ireo asa miandry. Feno 12 taona ny nijoroan’ny « So­rakanto », fikambanana ivondronan’ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovan’ny […]

FIKAMBANANA DIAMARO : nanolotra dabilio ho an’ny EPP Ambalanaomby, Farafangana

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 ja­noary 2024, ny fotoam-piasan’ny fikambanana Dia­maro, izay tarihin’ny filoha sady mpa­norina, Velo­mi­hoatra Painchard. Natomboka tamin’ny lafiny sosialy ny hetsika. Nisy ny fanolorana da­bilio ho an’ny sekoly fanabeazana fototra, EPP, tao Am­balanaomby, kaominina am­bonivohitra Farafangana, Fa­ritra Atsimo Atsinanana. Tan­jona ny hanampiana ny ray aman-dreny […]

FANTINA sy FINTINA

Hamoaka ny tatitry ny vokatry ny ady amin’ny kolikoly, taona 2023, ny eo anivon’ny “Transparency International Initiative Madagascar”, rahampitso. Eo amin’ny laharana faha-147 amin’ireo firenena 180 i Madagasikara ary nahazo naoty 26/100. Nanentana ny fandraisana andraikitra sy ny firaisankinan’ny mpikambana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny herinandro teo, teny […]

Ben’ny tanàna : nokianin’ny MMM ny fanapahan’ny HCC

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny herinandro teo, manoloana ny fanapahan-kevitra noraisina teto amin’ny firenena. “Mitohy ny fampiasan’ny mpitondra ny HCC amin’ny tsy ara-dalàna. Tsy anjaran’ireo mpitsara avo ny manome ny heviny momba ny fanitarana ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy. An­jaran’ny filankevi-panjakana izany”, hoy izy ireo. No­hitsin’ny MMM fa […]