Sekolim-panjakana : tsy ampy 2 tapitrisa ny dabilio

Nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa tsy ampy 2 tapitrisa ny isan’ny dabilio ho an’ny zana-bahoaka any amin’ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy.
Tafiditra amin’izany ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée. Manaporofo izany ny mbola ahitana sekoly mipetraka amin’ny tany mihitsy aza any ambanivohitra. Ny ankizy sasany milanja ankalana avy any an-trano…
Raha ny voalazan’ny minisitra hatrany, dabilio miisa 45 000 isan-taona no voatokana ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Manodidina ny 100 000 Ar ka hatramin’ny 200 000Ar mahery anefa ny tetibidin’ny dabilio iray.
Mitaky ny fiaraha-mientan’ny rehetra sy ny lalam-bola samihafa no vahaolana haingana sy maharitra. Manao fakan-kevitra ny minisitra ny amin’ny fahazotoan’ny olona amin’izany fandraisana anjara amin’ny famokarana dabilio ho an’ny mpianatra izany.
Efa misy ny ezaka nizarana dabilio manara-penitra mateza sy maharitra aman-taona teo aloha ary mitohy izany. Ireo sekoly ihany koa manentana ny mpianatra amin’ny fikojakojana ny efa eo an-tanana mba haharitra.

Tatiana A.

Partager sur: