Nataon’ny tafika hazalambo ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby tao Akamakama, kaominina Ankirihitra, distrikan’Ambato Boeny, afakomaly. Nalain’io dahalo io ny omby miisa roa ka nentiny nandositra. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Voasambotra nandritra ny sakoroka ny dahalo iray. Natao famotorana, nitoroka ireo olona efatra mpiray […]
Taratra
Havan’ilay mpandraharaha nisy namono : manahy amin’ny fahafahan’ireo nahavanon-doza
Mbola voatazona ao amin’ ny zandary Maevatanana ireo olona 5 voarohirohy ho namono nahafaty, tamin’ny fomba feno habibiana, ilay mpandraharaha mpanangom-bokatra. Efa vita ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana. Andrasana hiakatra fampanoavana izy ireo. Hatreto, raha ny angom-baovao, tsy salama ny mpitsara tokony handray an-tanana íty raharaha ity ka mahatonga ny […]
Antsalova : Avotry ny miaramila ireo takalonaina
Azon’ireo miaramila (Tafika sy zandary) teny am-pelatanan’ny dahalo, omaly maraina, ireo olona efatra natao takalonaina. Nalain’ireo malaso tao amin’ny fokontany Ambalakazaha, kaominina ambanivohitr’i Masoarivo, distrikan’ Antsalova ireto takalonaina efatra nalaina an-keriny ireto. Nanao fanafihana tao an-tanàna ireo dahalo nirongo fitaovam-piadiana naka omby sy olona efatra. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny […]
Antalaha : lehilahy nahatrarana vola sandoka 1 319 000 Ar
Mirongatra ny fanaovana hosoka. Lehilahy iray mpikirakira vola sandoka voasambotra tao Antalaha. Voasambotry ny zandary tao Antalaha, afakomaly, ny lehilahy iray niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina 1 319 000 Ar. Nilaza izy fa novidiany tamin’olona sendra nandalo io vola io ka vola sandoka 1 700 000 Ar sy vola tena […]
Fotoam-pahavaratra: mihena tanteraka ny fivezivezena eny amin’ny lalam-pirenena
Mihena ny fandehanan’ny olona mankany amin’ny faritra, rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. “Antony mahatonga izany, ny fidiran’ny mpianatra, ny haratsin’ny toetr’andro, ary ny areti-maso izay efa mihanaka”, hoy ny filoha lefitry ny fiombonamben’ny kaoperativa (CPCTRV), Ratsimihaba Nirina Mamitiana. Efa misy ny solontenan’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka manara-maso eny amin’ny tobim-piantsonana. Arahi-maso, mandritra izany, […]




