Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) teny Ankasina, ny 16 janoary 2024 lasa teo, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fanaovana fisolokiana anaty finday. Misoloky sady manao fisandohana andraikitra amin’ny alalan’ ny fampiasana finday ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Misandoka ho mpitandro filaminana, mpiasan’ny fonja sy […]
Taratra
Olana sy famoizam-po: raim-piankaviana nananton-tena
Hita faty, nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny tohatry ny tranony ny lehilahy iray 26 taona, afakomaly. Voalazan’ny mpitsabo sy ny zandary teny an-toerana fa namono tena izy. Lehilahy iray, monina ao amin’ny fokontany Ikopakely, kaominina Ambanivohitra Ambohitrimanjaka no hita nihantona tamin’ny tady tao an-tranony, afakomaly. Nahatsikaritra toe-javatra hafahafa ny tao […]
JJB-Randresiarivony Anjaratiana : hitohy amin’ny faran’ny volana janoary ny fizarana
Fahombiazana ny fifampizarana noentin-dRandresiarivony Anjaratiana, nandritra ny “Open Mat”, nataony teny amin’ ny Dojo Esca, ny alakamisy lasa teo. Tonga maro ireo Malagasy mpikatroka naka traikefa taminy, nandritra ny ora roa. Tafakatra 100 mahery ny mpikatroka namaly ny antsony, izay tena nahafaly azy tokoa. Nisy ireo vao manomboka manao Jiu-jitsu, […]
SOMBIM-BAOVAO
Niditra tamin’ny andro faharoa ny fifanintsanana isam-bondrona “Can 2023”, ny alarobia lasa teo. Raha ho an’ny vondrona «A», lavon’i Nigeria tamin’ny isa 1 no ho 0 i Côte d’Ivoire, mpampiatrano, tamin’izany. Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ity fihaonana ity i Victor Oshimen, lohalaharan’i Nigeria. Lasa mpilalaon’ny Elgeco Plus, Razafindrakoto Jean […]
Badminton – “Mada 2024” : hiaro ny voninahiny i Thierry sy i Stephania
Hotontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny kianja mitafo ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hiaka-tsehatra amin’izany ny sokajy «sénior», lahy sy vavy. Hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelatanany amin’ity, i Thierry avy amin’ny ST Jo Mahamasina sy i Stephania avy amin’ny MB2 All. Hahatratra 10 ireo klioba […]




