Taratra

«Telma Coupe 2023»: hanalavela amin’ny Fosa Junior ny CFFA

Hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Klioba miisa valo ao amin’ny « PFL » no hifanintsana amin’izany. Tonga ity ny fotoana, hiatrehan’ny mpankafy baolina kitra indray ny am­pa­hefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara «Tel­ma Coupe 2023». Anisan’ ny fihaonana tena andrasan’ ny maro […]

VAOVAO TAMBATRA

Vaindohan-draharaham-panjakana ny hampiroborobo ny sehatry ny indostria entina hampandrosoana ny firenena. Manana mpiasa sy akora enti-mamokatra hita manerana ny Nosy sy azo trandrahina tsara i Madagasikara. Hampirisihina ny fampiasam-bola amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Hotohizana ny fisarihana ireo mpampiasa vola goavana eo amin’ny […]

Fandraharahana: hanampy ny kaoperativa ny governemanta amerikana

Hiompana amin’ny fana­tsarana ny fandaharanasam-pampandrosoana ny kaoperativa, amin’ny alalan’ny fametrahana fepetra mampiroborobo ny kaoperativa (CDP/ CECE), ny tetikasa Coope­rative Eco­system And Social Inclusion (CESI). Haharitra efa-taona ny tetikasa. Hana­tanteraka izany ny fikambanana iraisam-pirenen’ny kaoperativa NCBA CLUSA izay vatsian’ny governemanta amerikana vola amin’ny alalan’ny USAID. Kendrena ny hanohanana sy hanatsarana ny […]

Fitantanana fako : harenina ny fivezivezena

Nidina ifotony teny amin’ny toby Andralanitra ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, omaly. Nanotrona azy ny tale jeneralin’ny SMA , ny kolonely Razafimanahaka Tiana sy ny solontenan’ny Jica, mpiara-miombon’antoka amin’ny fitantanana ny fako eto Antananarivo (GESDA). Nilaza ny minisitra fa antony roa no mahatonga ny fivangongoan’ny […]

Fampandrosoana niomerika : nivoaka ny drafitrasan’ ny minisitera MNDPT

Mifototra amin’ny andry telo lehibe ny drafitrasan’ny minisitra MNDPT, Razafindramalo Tahina. Voakasik’izany ny maha olona, ny fampananan’asa ary ny tsara fitantanana. Nitatitra ny zava-bita sy ny drafitrasany ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny haikajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina, omaly. Midika fa nahomby ny zava-bitany matoa voatazona teo […]