Taratra

Tsentsina ny lakandrano: hifarimbonan’ny herivelona maro ny fanalana fako

Nosantarina tamin’ny la­kandrano teny 67 ha ny fanalana ny fako, tamin’ity herinandro ity. Haharitra 5 andro ny fanatanterahana izany. Mifarimbona ireo herivelona rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa, mba hahafahan’ny rano mikoriana tao anatin’ireny oram-be nisesy ireny. Tanjona ny tsy hampiakatra ny rano eny amin’ny faritra iva. Miisa 302 ireo olona […]

Lycée Andohalo: Fahombiazana ny fifanakalozana tamin’ireo mpampianatra amerikanina

Nihaona tetsy amin’ny masoivoho amerikanina, nandritra ny 3 herinandro, ireo mpianatra sy mpampianatra amerikanina avy amin’ny Lafayette Collège Pensylvania niaraka tamin’ireo mpianatry ny Lycée Andohalo. Nisy ny fifanakalozana nahafahana nifampizara fahaiza-manao, indrindra mizatra miteny anglisy. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa “Lafayette Initiative for Malagasy Education (Lime)” ny fihaonana. Efa hatramin’ny […]

Hetsiky ny minisiteran’ny Asa : sarona ny tsy fanajana ny zon’ ny mpiasa teny Ivato

Nidina ifotony avy hatrany sady tsy ankiandriandry. Nijery ny olan’ny orinasa iray mpanao akanjo eny Ivato, ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, ny alakamisy teo. Nihaino ny olan’ny mpiasa sy ireo mpampiasa eo anivon’ity orinasa ity ny tenany ary namaha izany avy hatrany. Anisan’ […]

INDRAY MIJERY

Vokatry ny rotsakorana nihoapampana nandritra ny 4 andro, indrindra tany amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy dia maro ireo traboina noho ny fiakaran’ny rano, raha ny tatitry ny BNGRC. Manodidina ny 1 700 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana (tokantrano 40). Napetraka amina toerana azo antoka izy ireo mandra-pidinan’ny rano. Manodidina […]

Fiaraha-miasa amin’ny JICA : hisitraka kamiao 38 ny CUA

Vokatry ny fiaraha-mia­san’ny Agence japonaise de coopération internationale (JICA) dia hisitraka fitaovana hanampy amin’ny fanalana fako ny kaominina Antana­narivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Gesd­da” notanterahina ny volana febroary 2023 teo ny ahafahana manao izany. Heverina ho voarain’ny kaominina amin’io volana febroary ho avy io kosa ireo fitaovana nampanantenaina. Anisan’ny […]