Taratra

TSELATRA

Vehivavy iray naratra latsaka tao anaty lavaka teny Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly hariva. Niakatra izaitsizy ny rano tao anatin’ny ora-nikija. Avy nirava niasa izy tamin’io fotoana io ka teny an-dalana hody no nitranga ny loza. Latsaka tao anaty lavaka izy saingy voatazon’ireo olona niara-dalana taminy. Tsy hay rahateo ny manavaka ny lalana […]

Nanendaka mpandeha : naiditra am-ponja ilay mpamily taxi-be

Nidoboka am-ponja, oma­ly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay mpamily taxi-be nivadika ho nanao asan-jiolahy tamina mpandeha iray teny Andranomena, ny alahady teo. Mbola nangingina ny andro, sendra irery tanaty fiara ny renim-pianakaviana iray. Teo no nararaotin’ity mpamily sy ny namany norobaina. La­san’izy ireo ny vola 165 000Ar, niampy ny entana […]

Andohatapaneka : roa lahy tratra nangalatra bateria

Naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy roa tompon’antoka tamina halatra baterian-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha ireto jiolahy ireto. Tratra nangalatra bateria amin’ireo andrin-jiro amin’iny faritra Andohatapenaka iny ry zalahy ireto. Nandritra ny fisafoana fanaon’izy ireo mahazatra, teny amin’iny faritra […]

Mangarivotra – Faravohitra: vehivavy tapa-doha hita faty tao anaty gony

Nihorohoro ny mponina teny amin’ny fokontany Faravohitra Mangarivotra, omaly. Nisy nanary fatim-behivavy tanaty gony teny an-toerana. Tsy misy lohany intsony ny razana. Nampihoron-koditra ! Fatim-behivavy iray no nisy nanary teny Fara­vohitra, omaly maraina. Mifa­totra ny tongony sy ny tanany, nofonosina lamba manify niaraka tamin’ny selofanina. Nasitrika tao anaty gony, nofatorana tao […]

Soalihy Moussa : «Mila mahay maka lesona ny mpitondra»

“Marina tokoa hoe nanomboka tamin’ny 1991 no ho man­katy, tsy nisy filoham-pirenena nahavita ny fe-potoam-piasana faharoa. Mila mahay maka lesona izany ny mpitondra, jerena ny hoe: inona tokoa no nahatonga an’izay hoe fe-potoam-piasana faharoa somary marefo izay?”. Io ny fijerin’ny mpandinika raharaham-pirenena, i Soalihy Moussa. Tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana, ohatra, […]