80 lahy nanafika tanàna tao Mandrosonoro. Nirefodrefotra ny basy, afakomaly. Voaroba ny fianakaviana iray. Raikitra ny fanarahan-dia. Sivily sivy mianaka matin’ny jiolahy. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontanin’i Belavenona, kaominina Mandrosonoro, afakomaly maraina tamin’ny 4 ora. Nitam-piadiana ireo dahalo nanao be miditra tao an-tanana. Niharan’ny habibiana avy hatrany ny raim-pianakaviana […]
Taratra
Andriantsitohaina Naina : Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany
Voatendry handrafitra ny governemanta tarihin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy hitantana ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Efa nitana ny toeran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny ny tenany, tamin’ny taona 2019 mialoha ny naha ben’ny Tanànan’Antananarivo renivohitra azy. Filoha mpitantana ny vondrona Andriantsitohaina ihany koa izy. Ankoatra izay, mpandraharaha […]
VAOVAO TAMBATRA
Nigadona ao Toamasina ny sambo lehibe MS Bolette, nitondra mpizahatany 818. Sambo lehibe faharoa tonga ao an-toerana izy ity taorian’ilay sambo Hebridean Sky, nandalo tao ny 4 janoary teo. Mbola hanohy ny diany any Taolagnaro ny sambo MS Bolette raha efa avy nandalo tao Nosy Be sy izao ao Toamasina […]
Fanatsarana ny voka-bary : mahomby ny teknika P-dipping
Haingana kokoa ny fiakaran’ny voka-bary azo avy amin’ny teknika P-dipping entin’ny Papriz, natao tao Betsimitatatra, raha oharina amin’ny teknika nentim-paharazana. Mitombo ny vokatra, mihena, manaraka izay koa, ny fahasimban’ny vary vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Miompana amin’ny fampiasana zezika TSP, izay akora fototra entina hanatsarana ny voka-bary any amin’ny tany manta […]
Toamasina : Vary 83 taonina tao anaty gony 1 676 nodorana
Nodorana avokoa ireo vary simba sy lo tratra tao Toamasina, ny herinandro teo. Mbola mitohy kosa ny famotorana lalina momba ny raharaha. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha vary simba tratra tao Toamasina, ny herinandro teo. Hatramin’izao, mitohy ny famotorana lalina mahakasika ny raharaha. Na izany aza, nandray fepetra […]




