Vita izy izay! Nahazo minisitra vaovao i Madagasikara. Tafapetraka ny governemanta. Andrasana ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratonga, hoenti-mampandroso ilay firenena. Omaly, efa nihazakazaka ny fifamindram-pahefana. Samy nilomay namita ny azy ireo afaka nanao izany. Mbola hitohy anio kosa ny an’ny hafa. Misy rahateo ny tsy maintsy manao fifamindram-pahefana indroa miantaona. […]
Taratra
Fitantanana kaominina : ho avy ny sata manokana hifehy ny ben’ny Tanàna
Nifarana ny herinandro lasa teo ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Na hisy ny fanalavam-potoana, na hivoaka ny sata manokana momba azy ireny. Tapitra ny faha-14 janoary lasa teo ny efa-taona niasan’ny ben’ny Tanàna. Tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny fitondram-panjakana mahakasika izany. Miandry ny fepetra horaisin’ny […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambohimahitsy, omaly. Nidona mafy tamin’ny sisin-dalana ny moto nentiny. Voa mafy izy ka nentin’ireo nanatri-maso nihazo ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Nihotsaka avokoa ny hazo handrafetan’ny mpiasa ny trano lehibe iray ao Tsaralalana nandritra ny […]
Toamasina: raim-pianakaviana maty natelin’ny ranomasina
Raim-pianakaviana 32 taona no maty natelin’ny ranomasina, ny alahady tolakandro teo. Mivahiny ao Toamasina izy miaraka amin’ny vady aman-janany. Vao herinandro izay no nahatongavan’izy ireo, avy any Manjakandriana. Teo akaikin’ny Club nautique izy no lasan’ny ranomasina, tamin’io fotoana io. Araka ny fitantaran’ny fianakaviany niaraka taminy, nitarika ireo namany roa lahy […]
Nandre anarana minisitra : vehivavy iray torana tao Sabotsy Namehana
Hafa kely indray! Torana tampoka teo am-pototry ny fahitalavitra ny renim-pianakaviana iray 40 taona, manambady, manan-janaka roa, monina ao Sabotsy Namehana, ny alahady alina teo. Antony, vao nandre ny anaran’ny minisitra iray naseho am-pahibemaso teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izy dia torana avy hatrany, araka ny fitantaran’ireo zanany. Samy teo am-pijerena […]




