Taratra

Toamasina: mihantsy polisy eny amin’ny “facebook” ny jiolahy

Mitsipaka ny fanelezana tsaho mahakasika ny fomba fiasan’izy ireo, nametraka fitoriana ireo olona nanaparitaka vaovao tsy marina mahakasika azy ireo ny polisy ao Toamasina, omaly. Nivoaka tamin’ny fahanginana, namaly ny resabe niteraka savorovoro teo amin’ny tambajotran-tserasera ny polisim-pirenena ao Toamasina, notarihin’ny lehiben’ny  kaomisaria Centrale, Rakotovao Christian, omaly. Fanosoram-potaka tsotra izao […]

Indraim-bava 16/11/22

Etika ! Ambetinteny matetika ny hoe simba ny fiainan-dRamalagasy. Very hasiny ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Mety ho fitsarana miainga amin’ny fomba fijery miiba izany, kanefa misy hisainana ihany koa. Izay indrindra no hisintonana  ny lakolosy anio, mba hanaitairana antsika rehetra amin’ity mandrimandry manana aretina ity.  Trangam-piarahamonina tsy takona […]

Dimy andro nigadrana: zandary nanao kolikoly maty tao am-ponja

Maty tao am-ponjan’Antanimora, omaly, ny zandary kilasy faharoa, nanao kolikoly sy nangalatra tahirin-kevitra momba ny fanadihadiana nataony. Dimy andro taorian’ny nigadrany no nisehoan’izany. Nivoaka ra ny vavany! “Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy, miandry ny valin’ny autopsie isika”, izay no namalian’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fonjan’Antanimora, omaly (fanadihadiana […]

Fifandonana mahery vaika : Zandary iray maty voatifitra, dahalo telo lavo

Zandary iray nanara-dia dahalo no maty voatifitra taorian’ny fifanjevona tao Beraketa Sakaraha, omaly. Nirefodrefotra ny basy tao Beraketa, kaominina sy distrikan’i Sakaraha faritra Atsimo Andrefana, omaly, tokony ho tamin’ny 03 maraina. Zandary iray, kilasy faharoa, isan’ireo nanara-dia dahalo no maty voatifitra rehefa avy nifandona mafy tamin’ireo malaso. Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo […]

Mitohy ny hazalambo : Olona efatra naman’Iarisy voasambotra

Mihamafy ny fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ilay vono olona niseho tao Anosikely Ambolotarakely distrika’Ankazobe. Afakomaly, olona miisa efatra hafa, mpiray dia amin’Iarisy indray no saron’ny zandary tao Anjozorobe. Nisy ny loharanom-baovao voarain’ny zandary fa niafina tsy lavitra ny tanànan’Amboara fokontany Andranovelona sy tao atsinanan’ireo trano ao Besalaka fokontany Ambohijavona ary ny […]