Taratra

INDRAIMBAVA 17/11/22

Mba saro-piaro ! Andro vitsy sisa no isaina dia higadona ny fanombohan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny lalao baolina kitra na ny Mondial 2022.  Anisan’ny mampiavaka azy amin’ity taona ity ny toerana handraisana ny lalao sy ny kolontsain’ny mponina ao aminy: Qatar. Firenena silamo, sarotiny amin’ny fanajana ny soatoavina sy […]

Ambatoboeny: ravan’ny orambe ny  CEG

Niendaka ny tafo, potiky ny orana niampy avandra ny sekolim-panjakana CEG, tao Ambatoboeny, afakomaly hariva.  Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva ny ora-nikija. Efa rava avokoa, araka izany, ireo mpianatra. Araka ny tatitra voaray, potika ny rindrina sy ny kojakojan’ny trano fianarana. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, indrindra ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena […]

Fifohana rongony: mpamily sy resevera nosamborin’ny polisy

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo telo lahy saron’ny polisy nidoroka rongony teny Ambohimiandra. Ny alatsinainy teo, voasambotra andro antoandrobenanahary izy telo lahy ireto. Tratra ambodiomby nifoaka rongony tsy lavitra ny “villa Berlin” izy ireo ka nalefa teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany. Nandritra ny fisavana natao, mbola nahitana fitaovana […]

Efa  namidiny antsinjarany: voasambotra ireo roa lahy mpangalatra bajaj

Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny vela-pandrika, tra-tehaky ny polisy ny jiolahy roa lahy mpangalatra Bajaj, ny 8 novambra teo. Nitrangana halatra bajaj tao Amborovy, ny alin’ny 05 novambra. Lasan’ireto olon-dratsy araka izany io fitaovam-pitaterana io. Nametraka fitoriana ny tompon’entana. Nahatsikaritra olona nivarotra kojakoja miasa amin’ny Bajaj anefa  ny tsara sitrapo ka nilaza […]

Fiofanan’ny USAD: dia an-tongotra mampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy

Nanatanteraka dia an-tongotra nampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy ho fanombohan’ny fiofanan’ny USAD (Vondron-kery manokana misahana ny ady amin’ny asan-dahalo) andiany faha-28 ny avy ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN), ny alatsinainy 14 novambra 2022 teo. Ankoatra ireo mandrafitra ny USAD, nandray anjara tamin’izany koa ny manamboninahitra ambony, manamboninahitra sy manamboninahitra […]