Natolotra omaly, tetsy Andohatapenaka, ny valin’ny fifaninana ho an’ireo fikambanam-behivavy ao anatin’ny fokontany 10 hiasan’ny tetikasa tohanan’ny Développement et paix Canada, eto an-drenivohitra. Nokarakarain’ny «Programme de solidarité Andohatapenaka et Environnement» (PSAE), eo anivon’ ny CDA izany tetikasa izany. Sivy ireo fikambanam-behivavy nandray anjara. Nahazo ny loka mendrika, manodidina ny 8 […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Manome vahana ny orana saika manerana ny Nosy ny fisian’ny tangoron-drahona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika sy ao Atsimo Atsinanana. Ambany ny herijika hivadihany ho rivodoza, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hisy fidinany ny maripana ambony ato anatin’ny telo andro ho avy. Ny volana janoary 2024, hisy […]
CHU Morafeno – Toamasina : voafidy ho (mpiasa) mendrika Isofinirina Josette Frida
Voatendry ho «personnel de l’année 2023» ao amin’ny CHU Morafeno-Toamasina, Isofinirina Josette Frida. Mpiandraikitra ny fitantanana eo anivon’ny hopitaly izy. 10 taona niasana tao amin’ny CHU izy. Namiratra hatrany tamin’ny andraikitra rehetra nampanaovina azy, araka ny voalazan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mpitarika fakan-tahaka ihany koa. Mpandraharaha voalohany, voafidy hitantana ny […]
Produir- BNGRC : hiara-hiasa ho fiatrehana ny loza
Hiara-hiasa ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny tetikasa Produir. Tanjona manokana ny hanamafisana ny fiomanana amin’ny vonjy taitra sy ny fahaiza-mamaly eo anivon’ireo kaominina telo manodidina hiasan’ny tetikasa Produir (Anosizato Andrefana, Bemasoandro sy Andranonahoatra). Ankoatra izay, […]
Ambohimirary sy Anjeva: ankizy an-jatony nomena kilalao, tantsoroka ho an’ireo sahirana
Nizara kilalao ho an’ny ankizy ny fikambanana Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Hanolotra tantsoroka ho an’ny sahirana eny Ambohimirary kosa rahampitso. Nizara kilalao ho an’ny ankizy sahirana eo anivon’ny Paroisse Notre Dame de Fatima Ambohimirary, Ampasampito, ny Association Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Nitarika ny hetsika, natao ny […]




