Taratra

Fampandrosoana ny haikanto: tsy ampy fitaizana sy fanabeazana ara-javakanto ny Malagasy

Somary mandeha ila ny haikanto eto Madagasikara. Maro ny mpahay kanto. Betsaka ny vokatra saingy vitsy ny mankafy sy manjifa. Misy fiantraikany ratsy amin’ny mpanakanto izany. Mihamaro hatrany ny ivontoerana fandalinana sy fampiroboroboana ny haikanto. Manaraka izany ny fitombo­an’ny mpahay kanto vokatry ny famohazana ny talentan’izy ireo amin’ny toerana voatokana […]

VAOVAO TAMBATRA

Nigadona ao Mahajanga ny sambo lehibe Hebridean Sky mitondra mpizahatany. Fahaton­gavana fahadimy ao an-toerana izy ity ary aman-jatony ny mpiondrana izay teratany amerikanina sy anglisy ny ankamaroany. Andrasana ao an-toerana, anio, kosa ny sambo lehibe iray Jacques Cartier, mitondra mpitsangantsangana miisa 113. Tsy mandoa haba nanomboka ny 25 desambra teo, […]

Raharaha vary simba : olona fito naiditra am-ponja vonjimaika

Naiditra am-ponja vomjimaika ao Marofoto, Mahajan­ga ireo olona fito voarohirohy ta­min’ny fanadiovana ilay vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga. Anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasa­rin­gotra ta­min’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ary ny mpibata entana […]

Sakaraha : narahi-maso ara-teknika ny mpiompy trondro

Nidina ifotony, nitsirika sady nanohana ara-teknika ny mpiompy trondro any amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny tomponandraikitra ao amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsimo Andrefana, ny 24 desambra 2023 teo. Narahi-maso sady nomena tolo-kevitra ara-teknika ny mpiompy trondro, ahafahany manatsara ny seha-pihariany. Telo ny mpiompy trondro notsidihina, ka […]

Fetin’ny faran’ny taona : 150 000 hatramin’ny 300 000 Ariary ny tapakila

Samy manana ny fomba entiny mamarana ny taona ny isan-tokantrano. Misy ny mamonjy alim-bavaka. Maro ny mijanona an-trano. Betsaka ny mandeha alim-padihizana izay tafakatra hatramin’ny 300 000 Ar ny vidim-pidirana. “Lazaina fa mampitaintaina ny fety amin’ity taona ity satria tsy mahasahy manapa-kevitra ny mpanjifa raha tsy efa ankatoky ny fety”, hoy ny mpikarakara lanonana […]