«Tany vaovao». Tanterahina eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimboahoaka, ny tolak’ andron’ny 6 janoary 2024, ny fampirantiana « Nouvelle terre, Tany vaovao ». Mpahay kanto miisa 5, samy manana ny mampiavaka azy, no miara-misalahy amin’ ny fanatontosana izany. “Takarivan’Iarivo”. Hisy ny hetsika “Takarivan’Iarivo”, tanterahina eny amin’ny Avenue Analakely, anio sy rahampitso. Hetsika ahitana […]
Taratra
«Mozika an-dalambe 2.0»: ao anaty fanomanana ny tomponandraikitra
Ao anatin’ny fikarakarana ny hetsika «Mozika an-dalambe 2.0», ny tomponandraikitra amin’izany, amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, fizarana mozika mandritra ny vanim-potoanan’ny Noely sy ny taona vaovao izy ity, izay atao eny an-dalambe, ho fizarana sy fifampizarana hafaliana amin’ireo olona sahirana eny. Eny Antaninarenina, ny 30 desambra 2023 no kasain’ny tomponandraikitra hanaovana […]
Taona 2024 : Mba hiova amin’izay; tsy misy ambony sy ambany ny kolontsaina…
«Teny baiko», «varavarana misokatra», «dinika an-databatra boribory», sns. Efa zary mahazatra ny sofina ny mihaina na maheno ireo. Raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto indray, miverimberina ny : «nitondra avo ny zavakanto malagasy». Matetika faritana mihitsy ilay zavakanto, tahaka ny hoe «nitondra avo ny hira malagasy», satria, niseho teo […]
Eric Arnaud: hampiofana momba ny taosary
Hizara ny fahaiza-manaony momba ny tao sary i Eric Arnaud. Hotanterahina eny amin’ny Academie nationale des arts et de la culture (ANAC), Anosy izany, manomboka ny 13 janoary 2024. Hampahafantarina sy ho halalinina mandritra izany ny fahalalana fototry ny fanaovana sary. Tanjona ny hahamatihanina sy hampiroboroboina ny fanaovana sary. Hanosehana […]
Taona 2024: hanomboka febroary ny hetsika “Sehatra Ba gasy”
Rehefa voatery niato kely teny antsefantsefam-potoana… Fantatra, araka ny nambaran’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Ba Gasy, fa hiverina manomboka ny volana febroary 2024 ny hira sy kalo eo anivon’ity vondrona ity. Tsy hisy fiovana ny toerana sy ny fotoana. Isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana, manomboka amin’ny 2 ora sy […]




