Taratra

FIOFANANA HAINAHANDRO : mampivoatra ny tanora

Hotanterahina ny sabotsy 16 desambra 2023 izao, etsy amin’ny Radisson Ambodivona, ny andiany voalohany mahakasika ny « Salon de l’orientation en hôtellerie, restauration, art culinaire ». Hetsika karakarain’ny eo anivon’ny Edustep. Natao hanampiana ny tanora sy ny mpianatra liana amin’ny fanarahana ny lalam-piofanana mahakasika izany. « Tanjona ny hampahafantarana sy hitaritana ary hisarihana […]

Sinoa very vola 170 tapitrisa Ar : Roa lahy voaheloka mandra-pahafaty ao Toamasina

Voaheloka mandra-pahafatiny sy namoahana didy fampisamborana Randriambelonony sy Tangamanana Berthin. Io ny didy navoakan’ny fitsarana ao Toamasina, omaly. Hentitra ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, nandritra ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, hamaranana ny taom-pitsarana taona 2023. Niaka-tsehatra teo anatrehan’ny fitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-50-Toa/22-944-RP/21, izay hanenjehan’ny fitsarana […]

INDRAY MIJERY

Nanao sonia ny « mémorandum » momba ny hitohizan’ny tetikasa « TaFiTa » andiany fahatelo ny JICA sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Faritra 13 hatramin’ny 15 no hanatanterahana io tetikasa io, amin’ny andiany fahatelo. Hotohizana ny fanatsarana ny fomba fampianarana amin’ny alalan’ny « approche Kamishibai ». Nandray anjara tamin’ny fifaninanana horonantsary […]

Roa volana voalohany – EPP : ratsy ny fari-pahaizana vokatry ny tarazon’ny Covid-19

Hamarana ny roa volana faharoa amin’ny taom-pianarana 2023-2024 ny ambaratongam-pampianarana rehetra manomboka ny sabotsy 23 desambra. Hisantatra ny roa volana fahatelo ny 8 janoary 2024, aorian’ny fialantsasatry ny Krismasy. Misy hatrany ny fanadinana hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra rehefa mifarana ny roa volana. Ho an’ny EPP iray ato anatin’ny Cisco Antananarivo […]

fiatrehana hamehana : nohavaozina ny drafitrasa

Tafiditra ao anatin’ny paikadim-pirenena amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny fanavaozana ny drafitrasa ho fiatrehana ny hamehana. Nampiavaka ny drafitra napetraka miaraka amin’ny BNGRC ny fijerena mialoha ireo tandindon-doza sy ny mety ho fiantraikany eo amin’ny olona sy ny fananany. Hamaritana sahady ireo asa mialoha tokony ho tanterahina […]