Tanterahina mandritra ny 3 andro, etsy Ambaranjana, ny dinika lehibe momba ny astronomia sy astrofizika iarahana amin’ireo profesora avy any ivelany sy eto an-toerana ary mpianatra mandalina izany. Nasongadin’ny profesora Rakotomalala Minoson, avy ao amin’ny fakiolten’ny Siansa, ao amin’ny oniversiten’Antananarivo, fa 30 mianadahy ireo Malagasy mpianatra manomana ny diplaoma PhD […]
Taratra
Tsiahin’ny tantara: nivoaka ny boky momba ny “Mey 1972”
Namoaka boky vaovao Rasoloniaina Brigitte. Notanterahina tany Paris, ny 12 desambra teo, ny fampisehoana tamin’ny fomba ofisialy ny boky momban’ny mey 1972. Mitondra ny lohateny “Madagascar Mai 1972” izy io. Miompana amin’ny “Regards et perspectives historiques et socio langagières”, ahitana pejy miisa 288 ary navoakan’ny Hemisphères Editions izany. Nitantana kosa […]
Fitakian’ny CSI : “Aoka hafainganina ny fanaovana taratasim-panjakana”
Tafiditra amin’ny fisorohana sy ny ady atao amin’ny kolikoly ny fitakian’ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nitondra sosokevitra sy nanao tatitra amin’ny alalan’ny vahaolana izy ireo. Nisongadina tamin’ny famoahan’ity rafitra ity izany tatitra izany fa mbola olana goavana sy sakana lehibe amin’ny fampandrosoana […]
Fanapahan’ny filankevitry ny minisitra : novana hisoroka krizy sy ny korontana ny CFM
Nasiam-panovana tsy ho toy ny teo aloha. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny hampihenana ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). “Anisan’ny hifantohan’ny andraikitr’ity rafitra ity manomboka izao ny fisorohana ny korontana sy ny krizy eto amin’ny firenena”, hoy ny tatitra. Niompana amin’ny fampihavanana no […]
Teza : “Tany demokratika i Madagasikara”
“Mampiseho ireny fa tsy misy afaka maneho hevitra eto Madagasikara”, hoy ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, manoloana ny fisian’ny fiantsoana mpanao politika hanaovana fanadihadiana noho ny fanehoan-kevitra. Izay mitondra teny fanoherana na fanakianana dia ampitahorina sy ampiantsoana eny amin’ny brigadin’ny heloka bevava. Tsy mety amin’ny firenena ireny. Tany demokratika […]




