Taratra

FANTINA sy FINTINA

Voafidy vonjimaika ho ben’ny Tanànan’ Antso­­hihy, ny mpanakanto, i Vaney’s. Nahazo ny sa­la­nisa 49% mahery ny tenany amin’izao firotsahany amin’ny mahaleo tena izao. Efa nirotsaka kandidà de­pioten’Antsohihy ny tenany saingy tsy lany. Tsiahivina fa vadin’ny depiote teo aloha, efa nodimandry, Jao Jean, ity mpanakanto lasa ben’ny Tanàna ity. Tsy nitsitsy […]

Andriamanana Nivoarivony : “Aleo mitory ny kandidà rehefa manana porofo”

“Aleo ao anatin’ny fitoniana hatrany no iandrasana ny valim-pifidianana havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny firaisamonina sivily Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andria­manana Nivoarivony, teny Ala­robia, omaly. Ny amin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly no nanambarany izany. […]

Ady tsy vita

  Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, anisan’ny ady atrehin’izao tontolo izao amin’izao? Eo koa ny fanahiana sy fahatahorana hianjera amin’ny ady lehibe. Efa rivotra fohina sy manempotra tato ho ato izay? Ady mivantana etsy sy eroa, fifandranitana sy fifandrahonana atsy sy arỳ… Ho tonga hatraiza? Miara-dalana ho azy amin’izany rehetra izany […]

Voka-pifidianana ho an’ny renivohi-paritany: Be mpifidy indrindra ny kandidà Dzavojozara

Efa vita nialohan’ny fetin’ny Noely avokoa ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, isam-paritany. Niavaka tamin’izany ny tany Antsiranana I. Mitarika amin’ny fahazoana isam-bato be indrindra amin’ireo kandidà ben’ny Tanàna amin’ireo renivohi-paritany enina, tamin’ny fifidianana teo, i Dza­vojozara Jean Luc Désiré. Nirotsaka amin’ny tsy miankina ao Antsi­ra­nana I ny tenany ary […]

VAOVAO TAMBATRA

Malaka ny fifamoivoizana taorian’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy. Somary nangina ny fety tamin’ity taona ity, tsy nahalafo ny ankamaroan’ireo mpivarotra akoho amam-borona eny an-tsena manoloana ny fidangan’ny vidiny. Nahitana fiakarana ihany koa ny ankabeazan’ny entana eny an-tsena. Mponina miisa 1 450 no hisitraka rano fisotro madio ao amin’ny distrikan’i Moramanga, […]