Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filohan’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia. Hentitra ny teniny. « Hadisoana lehibe ny tsy nandraisana fanapahan-kevitra nandravana ireo Andrimpanjakana tsy nahomby, notakina teny an-kianja », hoy ity mpitarika ny KFIM ity. Nanatanteraka famorana faobe tao Ankadinandriana ny Malagasy miara-miainga, omaly. Mpitsabo mpikambana ao anatin’ny antoko ihany […]
Taratra
Sehatra ifampidinihana : Miantso ny rehetra tsy hifanome tsiny ny Ceni
Efa nidina ifotony avy hatrany ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni, andro vitsy taorian’ny fahavitan’ny atrikasa savaranonando momba ny fifidianana, natao teny Ivato. Nametraka ny sehatra ifampidinihana maharitra eo anivon’ny Ceni sy ireo mpisehatra amin’ny fifidianana izy ireo. Anisan’izany ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, tanora, mpitondra fanjakana, fiangoanana, vehivavy, ireo olona […]
Solelaka sy tsikera
Nahavariana ny mpanaraka tambajotran-tserasera, omaly, ny ranty nataon’ny tomponandraikitra ambony iray amin’ny fitondrana. Fizarana mahakasika ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Horonantsary nahodina, efatra andro mialoha ny niongany teo amin’ny toerana. Nifono zava-dalina ny hafatra tanatin’ilay horonantsary, mahakasika ny fisolelafana sy ny filana ranondranony. Nahay naka lesona ny filoha […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Manakaiky vahoaka ny fitondrana”
Manohy ny asany ny fitondrana Fanavaozana, miezaka manakaiky vahoaka amin’ny fanatanterahana ireo fitakiana teny an-kianja. Tany atsimo, nisy ny fitokanana famatsian-drano vaovao, tohodrano, lalana vita… “Manakaiky vahoaka ny fitondrana”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitokanana ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary […]
Nanapa-doha zaza varira Olona :18 nalefa eny Antanimora sy Tsiafahy
Niakatra teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, afakomaly, ireo olona 18. Voarohirohy ho namono sy nanapa-doha zazavavy varira vao herintaona sy tapany tany Ankalika, kaominina an-drenivohitra Toliara I, ny 28 mey 2026 teo, izy ireo. Nalefa vonjimaika eny Tsiafahy ny 16 ary eny Antanimora ny roa ambiny. Fakana an-keriny niafara tamin’ny […]





