Notanterahina ny alakamisy lasa teo ny fivoriana faratampony ho an’ny filohan’ny oniversite, izay natao teny Fiadanana, fihaonana nampitain-davitra izay nandinihina sy nanapahana ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Nitarika ny fihaonana ny profesora Assoumacou Elia Béatrice, minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Niatrika ny fivoriambe ireo […]
Taratra
INPF Ivato: mpianatra 200 nahavita fianarana nisalotra ny andiany Amboara
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny Ivato, omaly, ireo mpianatra 200 mahery nahavita fianarana ka nahazo diplaoma tao amin’ny INPF. Avy amin’ny sampam-piofanana 7 samihafa ireo tanora 200 mahery nahazo diplaoma tao amin’ny INPF. Fikojakojana fiara, fikirakirana ny informatika amina orinasa lehibe, ny fitantanam-bola, ny fikojakojana ny milina vaventy any amina […]
Loza sy tandindon-doza :tanora 27 niofana ho mpanentana
Niofana nandritra ny hateloana tany Taolagnaro ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, miisa 27 izay hisahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (GRC) manerana ny Nosy, ny herinandro lasa teo. Hamafisina ny asa ho an’ny faritra hisehoan’ny loza matetika ka nametraka sahanasa fanentanana mialoha sy aorian’ny fiavian’ny loza ireo tanora niaraka […]
Faritra avo-tandindomin-doza: nametraka saina mena filazana loza mitatao ny BNGRC
Nirotsaka ny orana tato ho ato. Efa mametraka fahamailoana ny BNGRC ka nanaitra ireo mponina amin’ireo fokontany tandindomin-doza. Napetraka ny saina miloko mena ho fampahafantarana azy ireo. Mahatonga ny fihotsahan’ny tany, fianjeran’ny vato indrindra amin’ireny faritra avo ireny ny fahabetsahan’ny rotsakorana. Tafiditra amin’izany ny eny amin’ny fokontany Manjakamiadana, Ambanin’ Ampamarinana […]
vahaolana ho an’ ny fianakaviana: Mifampiankina ny antony mitarika ny fialan’ny mpianatra an-daharana
Natolotra omaly, teny Ambatoroka, ny valin’ny fikarohana nataon’ny Centre de recherche et de développement eo anivon’ny UCM momba ny antony mitarika ny fialan’ny mpianatra an-daharana ka tsy ahatontosany ny ambaratonga faharoa. Nanohana ny fikarohana ny AUF amin’ny alalan’ny Agence française de développement anatin’ny tetikasa « Apprendre », hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny […]




