Taratra

“Maman j’ai raté l’enlèvement”: Hasehon’ny Cevam an-tsehatra ny andiany fahatelo

Raha lafiny fampisehoana, angamba ity no anisan’ny raitra sy tsara kalitao indrindra tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena. Fa tsy seho fotsiny ny “Maman j’ai raté l’enlèvement”, fa mifono hafatra sy sakafom-panahy, mifanandrify amin’izao vanim-potoana izao izany. Ny taona 2022 no nentina an-tsehatra voalohany ny “Maman, j’ai rate l’enlèvement”. Tantara an-kira narafitry […]

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Coupe de Noel”, taranja karaté. Fifaninanana nokarakarain’ny ligin’i Vakinan­karatra, natrehan’ny teo anivon’ny federasiona, notarihan’ny filohany, Ratefinanahary Emile. Ny fifaninanana Fiba 3×3, taranja basikety no hanombohana ny « Agnambahy mifety », izay hatao any Vakinankaratra, ho amin’ny anio. Fifaninanana hanomboka anio ary hifarana ny […]

Judo-Female Training : Mpikatroka 30 no namaly ny antso

Tontosa ny alatsinainy 23 desambra lasa teo, teny amin’ ny Playbox Analamahitsy, ny “Female Training Camp”, taranja Judo, nokarakarain-dRasoanaivo Razafy Laura. Mpikatroka 30 no namaly ny antso sy naka traikefa tamin’i Laura. Nampiavaka ny fanazarantena ny niarahan’i Nofy (taranja Jiu-jitsu) sy i Rou­maica, judokas tompondaka tamin’ny Open De Dakar. Nifampizara […]

Rugby : Nivarina D2 ny UASC sy ny FTBA

Nifarana ny alahady 22 desambra lasa teo, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Taorian’ny fahavitan’ny andro faha-11 farany, mivarina any amin’ny D2 amin’ny taom-pilalaovana 2025, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny FTBA Andohatapenaka. Samy manana isa 17 ny Cheminots […]

Randriamanampisoa Alfred: Kandidà hofidina ho komity mpanatanteraka

Miezaka mivelatra amin’ny sehatra ambony kokoa ny Malagasy. Tazana anatin’ny lisitra hofidiana ho lasa komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf, Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny vaovao mahakasika ny lisitr’ireo kandidà maniry ny hiditra anaty komity mpanatanteraka ny kaonfederasiona Afrikanina baolina kitra […]