Taratra

Loza sy tandindon-doza :tanora 27 niofana ho mpanentana

Niofana nandritra ny hateloana tany Taolagnaro ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, miisa 27 izay hisahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (GRC) manerana ny Nosy, ny herinandro lasa teo. Hamafisina ny asa ho an’ny faritra hisehoan’ny loza matetika ka nametraka sahanasa fanentanana mialoha sy aorian’ny fiavian’ny loza ireo tanora niaraka […]

Faritra avo-tandindomin-doza: nametraka saina mena filazana loza mitatao ny BNGRC

Nirotsaka ny orana tato ho ato. Efa mametraka fahamailoana ny BNGRC ka nanaitra ireo mponina amin’ireo fokontany tandindomin-doza. Nape­traka ny saina miloko mena ho fampahafantarana azy ireo. Mahatonga ny fihotsahan’ny tany, fianjeran’ny vato indrindra amin’ireny faritra avo ireny ny fahabetsahan’ny rotsakorana. Tafiditra amin’izany ny eny amin’ny fokontany Man­jakamiadana, Amba­nin’ Am­­pa­marinana […]

vahaolana ho an’ ny fianakaviana: Mifampiankina ny antony mitarika ny fialan’ny mpianatra an-daharana

Natolotra omaly, teny Ambatoroka, ny valin’ny fikarohana nataon’ny Centre de recherche et de développement eo anivon’ny UCM momba ny antony mitarika ny fialan’ny mpianatra an-daharana ka tsy ahatontosany ny ambaratonga faharoa. Nanohana ny fikarohana ny AUF amin’ny alalan’ny Agence française de développement anatin’ny tetikasa « Apprendre », hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny ady hiragasy. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, rahampitso alahady manomboka amin’ny 10 roa maraina, ry Razoanibe Anivo­rano sy ry Valson Mahasolo. Marina fa samy tropy tsy mbola malaza, saingy manan-ko zaraina avokoa izy ireo, manana paikady vaovao hampitiavana ny hiragasy ka mendrika ny hiakatra kianja, indrindra fa […]

Fitoriana an-kira : seha-panabeazana ny Young Messenger Praise

Taona 2019, namoronan’ An­driamihaja Daniel (mpitendry, mpamorona sy mpandrindra) ny Groupe Young Messen­ger Praise. « Mirona kokoa amin’ny famolahana ny gospel izahay. Na izany aza, heno hatrany ary mivoitra any ana­tin’ireo sanganasa ny maha Malagasy eo amin’ny fiten­drena zavamaneno sy ny fomba nanajariana ireo tononkira », hoy izy. Misandrahaka amin’ny gadona samihafa […]