Taratra

MTP: Zana-kazo 2 000 isa voavoly

Natao ny 14 febroary teo, teny Ankadilalana, fokontany Ambatomirahavavy, kaominina Ampanotokana, ny fambolen-kazo 2025 ho an’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny rantsamangaikany. Nitarika ny hetsika ny minisitra Rafidison Richard Théodore, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Nandray anjara koa ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd). Natao izany, araka […]

Baolina kitra : Nodimandry i Benony Jacques

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nin­daosin’ny fahafatesana omaly, tany Toamasina, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) teo aloha, i Benony Jacques. Raha tsiahivina, nitantana ny komitim-pirenena tamin’ny fandrindrana ny baolina kitra, ny taona 1990 – 1994, rehefa nandalo olana ity taranja ity. Taorian’io, nirotsaka ho filohan’ny federasiona ka […]

Fihaonana an-tampony faha-38 : Hitondra fanovana ho an’i Afrika, i Madagasikara

“Nanambara ny fahavononany hitondra fanovana azo tsapain-tanana ho an’i Afrika, i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tany Addis-Abeba. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao Addis-Abeba ny andiany faha-38 amin’ ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemantan’ny Vondrona afrikanina. Mandray anjara feno amin’ ireo adihevitra sy fivo­riana any an-toerana ny Filohan’ny […]

INDRAY MIJERY

Mpisitraka Haratonaina an-tanàn-dehibe miisa 2 600, avy amin’ny Firaisana 7, ao Fianarantsoa Renivohitra, no notolorana mari-pankasitrahana rehefa nanaraka fiofanana ahafahany manatsara ny fihariany. Niofana momba ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina, fiompiana kisoa, fanaovana mofo mamy sy nahandro, zaitra ary fahaiza-manao mahakasika ny varotra izy ireo. Nihaona tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely ny […]