Nampahafantatra bebe kokoa ny ezaka ataony hampandrosoana ny sehatry ny fambolena ny orinasa Star, nandritra ny Foara iraisam-pirenena FIA, natao ny 10-13 septambra teo, teny amin’ny CCI Ivato. Ankoatra ny vokatra Star mahazatra, naseho nandritra ity efatra andro ity koa ny vokatra vaovaon’ny orinasa. Nohamafisin’ny talen’ny Serasera, tamin’ny famelabelaran-kevitra nataony […]
Taratra
Fantina sy fintina
Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra, omaly, ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Rosia eto Madagasikara, i Alexe Buriak. Fanamafisana fampivoarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Rosia ny dinika nandritra ny fihaonana. Hisy ny fotoam-bavaka sy antsam-piderana ho firaisan-kina ho an’ny taninjanaka, ny 18 septambra […]
Manahirana, manalasala
Manahirana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mbetika namako, mbetika fahavaloko. Ny tena zava-doza, maty fanahy ilay Malagasy manao politika. Simba amin’ny kajikajy maloto ilay soatoavina sy fomba fanaovana politika. Na ny mpinamana mihinana ny manta sy ny masaka aza tena mifamorika rehefa tena ilaina ny misara-dalana. Mandefona ivoho izany efa […]
Fivondronamben’ny eveka: “Hampiadilahy politika ny resaka fanabeazana”
“Maniry dia maniry ny hanavaozana ny fampianarana ny Fivondronamben’ny eveka, ary efa tara aza ny fanavaozana ny fampianarana eto Madagasikara. Ny angatahinay ary tokony hahaolon-kendry antsika rehetra dia ny hahay mandingana ny adilahy politika hampiady antsika amin’ny resaka fanabeazana”. Io ny fanambaran’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, ny evekan’ny diosezin’i […]
Fikaonandoham-pirenena: hanomboka amin’ity herinandro ity ny dinika eny ifotony
Miroso hatrany ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Araka ny fandaharam-potoan’ny FFKM, hanomboka amin’ity herinandro ity ny dinika eny ifotony. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny FFKM (Fiombonan’ny fiangonana kristiana eto Madagasikara) tamin’ny fampafahantarana ny fikaonandoham-pirenena teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, fantatra fa amin’ity herinandro ity no hanomboka ny dinika eny ifotony. Efa omaly […]




