Taratra

Zavamaneno sy feo mafy: mahavoasazy rehefa manelingelina ny fiarahamonina

Mampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa ahazoana sazy ny fanelingelenana ny mpiray vodirindrina amin’ny feo mivoaka ao amin’ny tokantrano iray. Araka ny andininy faha-78 ao amin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, ireo mponina amin’ny toeram-ponenana sy ny miankina aminy dia tsy maintsy mandray fepetra mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny […]

Tetikasa Vatsin’ankohonana- Vohipeno: misongadina ny fiakaran’ny fari-piainan’ ny mpisitraka

Porofo mivaingana amin’ny fikirizana te-hiala anaty fahantrana lalina ny ezaka ataon’ireo ankohonana misitraka ny tetikasa Vatsin’ankohonana ao amin’ny distrikan’i Vohipeno. Tetikasan’ny fanjakana malagasy, arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny Fid, ny tetikasa Vatsin’ankohonana. Misongadina ny vokatry ny fiezahan’ireo ankohonana ta­ny amin’ny kaominina Vohida­va, fokontany […]

Famokarana sy fanodinana: mampiseho ny tanjany i Madagasikara

Nifarana omaly, teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny efatr’andro ny andiany faha-8 amin’ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny famokarana (FIA) sy ny andiany faha-2 amin’ny « Festival international de la gastronomie » (FIG). Voaporofo fa manana ny tanjany amin’ny famokarana sy fanodinana i Madagasikara. Ambohipihaonan’ny mpan­dra­haraha, ny mpamokatra, ny mpanodina ary […]

Fantina sy fintina

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any Belgique, sady solontena eo anivon’ny Vondrona eoropeanina ao Bruxelles ny filoha nasionalin’ny antoko HVM (Hery vaovaon’i Madagasikara), Rakotovao Rivo. Nandritra ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny sabotsy 12 septambra lasa teo no namoahana izany. Nanao fanambarana ny VFM (Vovonan’ny fihavaozana ho an’i Madagasikara). Nambaran’izy […]

Tsy misy afa-bela

Hatramin’izao, manahirana ny mpahay fiarahamonina sy ny mpahay toetra amam-pihetsiky ny olombelona ny fisian’ny fihetsika tsy ahoan-tsy ahoana any amin’ny firenena hoe faran’izay mandroso: famonoan-tena, fitifirana olona faobe, fandoroana fiara na trano… Nefa tanora tsy manana olana eo amin’ny fiainana, mianatra na miasa milamina… Mahavita zava-doza tampoka? Noho ny famoizam-po, […]