Taratra

fampisehoana “Ô” Théâtre Kala : haneho ny maha izy azy ny Théâtre Kala

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antana­na­rivo (Aft Andavamamba), ny Alarobia 6 desambra 2023, ny fampisehoana “Ô”, iarahana amin’ny vondrona mpanao Théâtre Kala . Seho an-tsehatra hanehoana ny dihy manana ny maha izy azy avy any amin’iny faritra atsimon’i Mada­gasikara iny izy ity. Ankoatra ny fampisehoana ny talenta sy fahaiza-manaon’ny ankizy ao […]

Hira evanjelika: tafaraka ny andrarezina

Tranga tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny hira fitoriana ny Filazantsara sy ny hira evanjelika amin’ny ankapobeny. Hifarimbona hanatanteraka fitoriana an-kira ny antoko mpihira roa anisan’ny andrarezina amin’izany : ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny Tanora Masina Itaosy. Fampisehoana hotanterahina ny alahady 26 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao […]

Rakikira vaovao : hizara ny “Ba gasy mazia romotra” ry Zandry Gasy

Tsy mipetrapetraka. Manohy ny fivoizana sy fampahafantarana ny ba gasy ny tarika Zandry Gasy. Hivoaka tsy ho ela ny rakikira faharoa, arahin’ny tetikasa maro. “Ba gasy mazia romotra”. Fomba fitenin-dry zalahy Zandry Gasy io, izay hanasokajiany ihany koa ny karazana mozika hataony. Noraisina mihitsy ho lohatenin’ny rakikira faharoa, izay hivoaka tsy ho […]

Fiotazana letisia : fampidiram-bola haingana sy manome asa maro

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana letisia eto Madagasikara, ny talata 21 novambra, tamin’ny 3 ora tolakandro lasa teo. Nomari­hina tany amin’ny sakana ekonomika any Analamalotra, lalam-pirenena fahadimy mialoha ny fidirana an’ i Toamasina izany. Mbola betsaka ireo mpanangom-bokatra tsy nahafeno fepetra amin’ny maha ara-dalàna ny antontan-taratasy ilaina rehetra amin’ny fanaovana izany. Tsy nametraka olana momba izany nefa ny […]

edbm : manamora ny fikirakirana antontan-taratasy

Miverina mahazo ny ovam-pivoarana talohan’ny Covid-19 ny tontolon’ny fandraharahana. Ho an’ny renivohitra manokana, manodidina ny 1 200 ny orinasa nisokatra nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana septambra teo. Maro anisa amin’izany ireo orinasa misehatra amin’ny lamba, fi­trandrahana ny harena an-ki­bon’ny tany, ny fambolena ary ny fiompiana. “Manodidina ny 1 […]