Taratra

Justice et Paix : nilamina ny fifidianana na hafakely aza

“Azo lazaina hoe hafakely iny fifidianana filohan’ny Repo­blika iny izay nisy savorovoro politika, raha oharina amin’ny fifidianana nisy hatramin’izay”, hoy ny tatitry ny fanaraha-maso fifidianana nataon’ny Justice et Paix nentin’ny sekretera jeneraliny, ny pretra Andrianasolo Sata Jean-Noël. Tsy hoe tsy manara-dalàna na tsy ara-drariny ny dikan’ny hoe hafakely, fa ny […]

Maimbo…Maimbo !

  Isan-taona, amin’ny vanim-potoana tahaka izao dia efa manimanitra asaramanitra ny tanàna. Efa mivolo andro noely ny eny an-tsena. Ny isan-tokantrano aza efa misy ny mametraka ny hazon’ny krismasy. Izay mba manamanan-katao efa mifanenjika laharana eny amin’ny mpanjaitra. Manomana fatratra ny hihaonana amin’ny fianakaviana iray manontolo. Tsy nifanenana nandritra ny […]

Tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana : miandry ny fitoriana miaraka amin’ny porofo ny HCC

Mba tsy ho resabe fotsiny. Miantso sy manentana ireo nahita tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana ny eo anivon’ny HCC. Nametraka fepetra momba izany anefa izy ireo. “Tokony hametraka fitoriana ireo nahita trangana tsy nanara-dalàna nandritra ny fifidianana. Na izany aza, ilaina miaraka amin’ny porofo izany”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoa­risoa Florent. […]

Tsy fandriampahalemana ao Melaky : dahalo 15 maty voatifitra, omby 20 tafaverina

Niampatrampatra ny fatin’ny dahalo voatifitry ny mpitandro filaminana tany Tsiazona­loka, fokontany Ambavanina­ra, kaominina ambanivohitra Marotsialeha, distrika Amba­tomainty, faritra Melaky, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ny dahalo am-polony nitondra fitaovam-piadiana. Naka omby 20 izy ireo ary nitsoaka nandositra. Nahare io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro […]

TSELATRA

Zazakely iray naratra mafy nianjeran’ny sobika feno manga teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Kamiaobe iray feno manga no nivarotra teny an-toerana. Nifandrombaka ireo mpividy ka nianjera tamina zazakely zanaka mpivarotra teo akaikin’ilay fiara ny sobikabe nisy manga. Na teo aza ny ratra nahazo azy, avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. […]