Taratra

Oniversiten’Antananarivo: hamita ny taom-pianarana 2022-2023 ny Seces

Tsy ho taona fotsy ny taom-pianarana 2022-2023 satria hiroso amin’ny famitana ny taom-pianarana ny mpampianatra mpikaroka ho fitsinjovana ny mpianatra. Niandry hatrany ny fampanantenana sy ny ezaka nataon’ny fitondrana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, Seces Sampana Antanana­rivo. Niala nenina, nanao ny adidiny amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana […]

Atletisma: herintaona nihazakazahana i Aina dia nahazo medaly volamena

Andrianjafy Ny Aina Anna, 16 taona, atletan’ny TAF Analamanga. Anisan’ireo zandriny indrindra niatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, teto Madagasikara. Tsy diso safidy ny Federasiona malagasy sy ireo teknisianina nifantina azy satria nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ny tovovavy. Nahazo ny medaly volamena teo amin’ny 4 x 400 m sy ny […]

Tsipy kanetibe : mitaky ny volany amin’ny FIPJP ny FSBM

Ny sabotsy lasa teo, nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny Federation international de pétanque et jeu provençal (FIPJP), ny mpitantana ny tsipy kanetibe malagasy (Federation sport-boule malagasy). Ho setrin’ny tsy famelana ny ekipam-pirenena malagasy handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy “junior”, lehilahy sy “senior”, vehivavy, takiny […]

JJB – “Open d’Afrique” : nandrombaka medaly 28 ny Malagasy mpikatroka

Fahombiazana tanteraka no azon’ny Malagasy solontena niatrika ny “Open d’Afrique”, andiany faha-5, taranja Jiu-Jitsu, natao tany Maorisy, ny sabotsy 18 novambra lasa teo. Medaly 28 be izao no noraofin’ny Malagasy. Tsy nisy nody maina fa samy niambozona medaly avokoa izy 18 mianadahy niverina teto Madagasi­kara. Nisy tamin’izy ireo aza no […]