Taratra

TSELATRA

Olona iray voatsindry tao ambany kamiao tetsy Ambohimangakely, omaly. Nivadika tampoka io fiara nitondra entana io. Olona telo no nitaingina io ka­miao io ka tavela tao ambanin’ny fiara ny iray. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ity farany. Olona iray maty voatsindrin’ny taksiborosy Sprinter, raha 25 ireo naratra tamin’ilay lozam-piarakodia teny amin’ny RN […]

Grenady- Toby Ratsimandrava: lehilahy nosamborina, basy roa nogiazana !

Lehilahy iray no voasambotra, afakomaly, tamin’ilay fanapoahana grenady tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nahitana basy roa ihany koa tao an-tranony ka ny iray kilalao. Voasambotra, afakomaly, teny Analamahitsy, boriborintany fahadimy ny tovolahy iray. Ahina ho tom­pon’antoka voalohany tamin’ny fanapoahana grenady teo amin’ny kianja filalaovana basiketin’ny Toby Ratsiman­dra­va, ny alin’ny 7 novambra 2023. Araka ny angom-baovao natao, manana […]

Tantsoroka ho an’ny tantsaha – behenjy : hamokatra akoho gasy 4 000 isam-bolana

Mpiompy akoho gasy ny 80% amin’ ny tokantranona tantsaha eto Madagasikara noho izy haingam-piodina sy mampidi-bola. Nisy ny tantsoroka fizarana fitaovana ho an’ny fikambanana tantsaha Miaradia sy Ezaka nataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, tamin’ny alalan’ ny tahirimbola fampandrosoana ny fiompiana (FEL) tao amin’ny kaominina Behenjy, distrikan’Ambatolampy, faritra Vakinankaratra, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hampitomboina ny fiaramanidina hampiasain’ ny Madagascar Airlines. Hampiroboroboina ny sidina anatiny. Ahitana ny ATR 72 sy ny Embraer EI ireo fiaramanidina entina hanatsarana ny tolotra anatiny sy hirosoan’ny orinasa amin’ny sidina iraisam-pirenena. Vonona hanampy an’i Madagascar Airlines ireo mpiara- miombon’antoka sy mpamatsy vola iraisam-pirenena. Nivoitra nandritra ny famelaberan-kevitra ny kalitaom-bokatry […]

Airtel-SG Madagasikara : Ekena ny fifanakalozam-bola niomerika

Nampahafantarina ny besinimaro, omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Airtel Money sy ny banky Société générale (SG) Madagasikara. Fifanarahana mifantoka amin’ ny fahafahana mampifandray ny kaontim-bola eo amin’ny roa tonta. Izany hoe, azo atao ny mandefa vola avy amin’ny kaonty Airtel Money mankany amin’ny kaonty banky SG, na koa ny mifamadika […]