Taratra

Jiu-Jitsu-“Open d’Afrique” : Malagasy mpikatroka 19 ho any Maorisy

Taorian’ny “World Jiu-Jitsu Championship” izay nifarana omaly, ny “Open d’Afrique”, hatao any Maorisy, indray no miandry ny Malagasy solontena, ny 18 novambra ho avy izao. Malagasy mpikatroka 19 mianadahy no fantatra fa hiatrika ity fifaninanana ity, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Brésilien, izay nanamafy fa tena […]

SOMBIM-BAOVAO

Dato Foot-ball Club Farafangana. Nahazo mpa­nazatra vaovao. Naval Joachim Andriatiana no hanazatra azy amin’izany raha ny vaovao voaray. Marihina fa efa nanazatra ny ekipan’ny Five FC sy ny Jet Kintana i Coach Naval. Efa nanampy an-dRa­soanaivo Titi tao amin’ny CFFA koa izy. Misaona ny tontolon’ny Kung-fu wisa. No­dimandry omaly, ny […]

Kitra malagasy: nodimandry i Gôlibe na i Dominique

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-53 taonany Rakotonandrasana Dominique, Malagasy mpiandry harato. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany nanomboka ny taona 1989-2015. Efa niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny Barea Beach Soccer izy, ny taona 2010-2015. Tao amin’ny klioban’ny BTM Taolagnaro izy no nanomboka nilalao, tamin’ny sehatra […]

« Mondial 2026 »: maratra i Nina, hisolo azy Rakotovazaha Allan

Tsy anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena amin’ireo lalao roa tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” i Nina. Soloin’i Allan ny toerany. Afaka fito andro, hanomboka ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy afaka […]

Kolontsaina sy famoronana : mitondra anjara biriky goavana, manabe olona ny sary hosodoko

Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto toy ny sary hosodoko. “Miezaka ho modely eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tokantrano ary ny firenena iray manontolo mihitsy izy ireny”, hoy i Zo Nasandratra, mpanao hosodoko. Nilaza izy fa tokony ho hita taratra amin’ny zavakanto ataony sy amin’ny […]