Hotanterahina any amin’ny faritra Boeny, ny 11 novambra hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboara, ligy Boeny, taranja Baolina kitra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana izany, ny 4 novambra lasa teo. Mitondra ny anarana hoe “Alidy Group 2023” ity fifaninanana ity. Miisa 16 ireo mpandray anjara […]
Taratra
«Ligue des Champions 2024» : hanala vela amin’ny Arsenal ny Seville FC
Hotanterahina anio, ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny vondrona « B » amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Arsenal FC, ekipa Anglisy, sy ny Seville FC, klioba Espaniola. Hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Emirates Angleterre ity fihaonana ity. […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara : hifanintsana ireo ekipa ao amin’ny Top 12
Hiditra amin’ny fanatontosana ny amboaran’i Madagasikara indray ny Malagasy Rugby. Fihaonana hamaranana ny taom-pilalaovana 2023. Hiatrika sy hiady izay hahazo izany ireo ekipa ao anatin’ny “Top 12”. Hivory amin’izay, hanohizana ny fandaharam-potoana eo amin’ny famaranana ny taom-pilalaovana 2023, ny zoma ho avy izao, ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Malagasy Rugby. […]
INDRAY MIJERY
Notolorana solosaina sy imprimante ireo fitaleavam-paritra ara-pahasalamana misitraka ny tetikasa « Fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony », andiany faharoa na Fafy2. Handray anjara amin’ny fanangonana ireo toro mahakasika ny tetikasa hanamorana ny drafitra sy ny fanombanana ny tolotra ara-pahasalamana any amin’ny faritra ny fampitaovana. Manentana amin’ny fambolen-kazo ifotony ny Graine de Vie. Mitohy […]
Nandritra ny taona 2022 : 45 245 ny olona voan’ny raboka notsaboina
Nanao tatitra ny fandraisana ireo mararin’ny raboka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny taona 2022. Fantatra fa nahatratra 45 245 ireo marary noraisina an-tanana manerana ny Nosy tamin’ny taon-dasa, tamin’ireo tobim-pahasalamana misahana ny aretina raboka. Maimaimpoana hatrany ny fikarakarana ny marary manomboka amin’ny fizaham-pahasalamana, mandalo amin’ny fitiliana sy ny fitarafana ary […]




