Taratra

Fampiroboroboana ny fizahantany : mandray anjara amin’ny “Salon WTM” i Madagasikara

Sehatra iray anisan’ny miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny fizahantany. Mandray anjara amin’ny “word travel market” atao any Londres i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be. Andro fahatelo sady farany amin’ny “Salon Word travel market (WTM) London 2023” any Excel, anio. Anisan’ny mandray anjara amin’ity […]

Ho tombontsoan’ny firenena : mijoro ny Vondrom-pirenena mpanelanelana

“Afa-mifampiresaka mivantana amin’ireo hery velona rehetra hisian’ny fitoniana sy ny fahitsiana manoloana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny Vondrom-pirenena mpanelanelana na ny GNM”, araka ny nambaran’i Hery Rakoto­manana, solontenan’ ireo mpikambana anatin’io vondrona io, tetsy Ankadivato, omaly. Najoron’izy ireo ny GNM amin’ny maha tomponandraikitra ambony teo aloha, teto anivon’ny firenena, […]

Riana Andriamandavy : “Hanongam-panjakana ireo kandidà”

Andrana idirana amin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny fanambaran’ny kandidà Ravalomanana teny Antsonjombe, izay nanoritra mazava fa tsy maintsy ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ary tsy maintsy hanongana fitondram-panjakana, raha ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Upar, Riana Andriamandavy, momba ny fidiran’ny vondron’ny kandidà eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Tsy azo sarahina […]

Fihaonana nikaton-trano : nandray ny iraky ny Sadc ny Pan sy ny FFKM

Mitohy ny fikaroham-bahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’ny manao izany ny vovonana iarahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny eo anivon’ny FFKM. Noraisin’izy ireo teny Tsimbazaza ny iraky ny Sadc, omaly. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa anisan’ny anton’ny dinika rehetra tanterahin’ity vovonana ity amin’izao fotoana izao […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka ny fivoriana ofisialy voalohany ny komity mpanatanteraka omaly, rehefa vita ny fitsinjaram-pahefana teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa manana tanjona goavana ny FMF, ny ahitana an’i Madagasikara, any amin’ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Afaka sivy andro, hiatrika ny lalao ihaonany amin’i Ghana ny ekipam-pirenena […]