Taratra

Kandidà Andry Rajoelina ; “Hanova ny tantara isika eto Vakinankaratra”

Nitohy tany Antsirabe rehefa avy any atsimon’ny Nosy ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Nanteriny fa tsy misy hahasaraka ny fitiavany amin’ny any Vakinankaratra. Nambarany fa na eo aza ny fanirin’ny kandidà sasany ny tsy hitiavan’ny vahoakan’ Antsirabe azy, voaporofo anefa izany fa tia an’i Andry Rajoelina sy tian’i Andry Rajoelina […]

Nitrandraka volamena: olona valo maty nihotsahan’ny tany

Ankizy valo taona ny iray ary lehilahy lehibe 60 taona, anisan’ireo valo namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany tampoka, tao Ambohi­man­gakely, fokontany Maha­tsinjo, kaominina Alatsinai­ni­kely, distrikan’i Mia­rinarivo Itasy, ny alakamisy 2 novambra teo. Nanao ny asany toy ny mahazatra ireto mpitrandraka ireto. Niharan-doza tampoka anefa ny 1 novambra tamin’ny […]

TSELATRA

Mpitondra bisikileta iray maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana teny Androndrakely, boriborintany faharoa, afakomaly. Nandeha mafy ilay fiara. Tsy voafehin’ny mpamily tampoka ny familiana ka nifatratra tamin’ilay mpitondra bisikileta teo alohany. Votsotra teny am-pelatanan’ny dahalo ny omby 20 tao tao Andriamavo, fokontany Ambalavelona, kaominina ambanivohitra Bekobay, distrikan’ i Mahajanga […]

Nisintona omby : mpirahalahy maty voahitsaky ny lamasinina

Mpirahalahy niara-maty voahosin’ny lamasinina tao Sambaina, distrikan’ i Manjakandriana, omaly. Andro niditra! Mpira­ha­lahy indray niara-namoy ny ainy voahitsaky ny lamasinina teo amin’ny sampanan-dalana mihazo an’Am­bohimanga, kaominina Sam­baina, distrikan’i Manjakan­driana, omaly. Hitondra omby hody izy mirahalahy tamin’ny 4 ora. “Efa nampaneno fampahafantarana ilay lamasinina ka nisintona ny omby noroasiny ilay zandriny”, […]

Kandidà Rajoelina Andry: “Hanova ny fiainan’ny isan-tokantrano isika”

Nitohy tany Ambovombe, Tsihombe, Amboasary, Taolagnaro, faritra Androy, indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, omaly. Nambarany fa anisan’ny tiany ny any atsimon’ny Nosy. «Amin’ny andro sarotra no ahafantarana ny tena namana sy raiamandreny. Tsy mbola nisy filoha nitsidika matetika taty afa-tsy i Andry Rajoelina noho ny fitiavana […]