Taratra

Zavakanto dihy, mozika ary slam : ho avy eto Antananarivo i Makwa Joma

Hanolotra fampisehoana amin’ny vahoakan’Antana­na­rivo i Makwa Joma, Malagasy mpanakanto avy any Betsi­misaraka, ny 23 novambra izao, etsy amin’ny No Com­ment Bar Isoraka. Mikasa hanolotra ny “Eto sy ankehitriny” ho an’ny mpankafy izy amin’io fotoana io, raha ny fanazavana. Ahitana sanganasa maro isan-karazany mandritra ny fampisehoana. Anisan’izany, ny fampiarahana ny dihy […]

Star Academy 2022 – Anisha Jo : nivoaka ny « album », ho avy ny fampisehoana

Tanora manan-talenta nampiaiky ny mpitsara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena « Star Academy » 2022. Migoka ny valin’ny ezaka nataony i Anisha Jo. Efa nivoaka ny « album ». Ho avy tsy ho ela ny fampisehoana. Anisha Jo, iray amin’ireo nitana ny mason’ny mpi­tsara sy ny mpijery nandritra ny fifaninanana Star Academy 2022. Anisan’ny valin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miahiahy amin’ny asa fivelomany sahady indray ireo mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina, anio, manoloana ny toe-draharaha politika eto an-toerana. Potika ny toekarena, tsy mampidi-bola ireo tokantrano mivelona amin’ny tsena. Miankina amin’ny vola ny fihodinan’ny fiainana andavanandro. Manomboka androany ka hatramin’ny alarobia izao ny salon WTM London 2023 atao ao […]

Madagascar Airlines : nametra-pialana tsy ho PCA Rakotomanga Rinah

Nametra-pialana tsy ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Madagascar Airlines, ny zoma teo, Rako­tomanga Rinah. Antony nahatonga izao ny fangatahan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana teo aloha, Rakotondraibe Mamy, hiverina handray ny asany. Ny sabotsy teo, nivory teny amin’ny foiben’ny orinasa teny amin’ny Redland Tour Akorondrano, ny mpikambana miisa telo eo anivon’ny filankevi-pitantanana ka […]