Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary momba ilay raharaha fahitana fatim-behivavy roa tanaty gony samihafa, ny sabotsy hariva 28 oktobra 2023, tao Ambararata, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondrozo, fantatra ny fasana nakan’ireo mpangalatra ireo razana ireo. Fasana tao Ambatolaza Ampataka, kaominina Mahatsinjo, an’ny fokonolona ao Ambatomilovoka no niavian’ ireo fatim-behivavy roa ireo. Voalaza […]
Taratra
Anjozorobe : olona roa nalain’ ny jiolahy an-keriny
Jiolahy fito nirongo basy Kalachnikov sy Mass 36 nanao fanamiana miaramila no tompon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Antsevakely Atsimo, Marovazaha, Anjozorobe, ny alakamisy hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Naharitra adiny iray ny fanafihan’ireo jiolahy raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy nifandrenesana ny poa-basy […]
Ahina ny herisetra: manentana ny vahoaka ho tony ny EMMO-FAR
Mitaona ny vahoaka tsy handalo eny Analakely ny EMMO-FAR, anio. “Mety hisy hanapoaka grenady mahery vaika any anaty mpanao fihetsiketsehana ka aleo mitandrina”, hoy izy ireo Nanao fanambarana, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly tolakandro, ny avy amin’ny État-major mixte opérationnel de la province d’Antananarivo (Emmo-Far). «Natao izao fanambarana izao ho […]
Fampiroboroboana ny fizahantany : hiara-hiasa i Rwanda sy i Madagasikara
Vita sonia, ny talata teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Rwanda Tourism Chamber (RCOT) sy ny confédération du tourisme de Madagascar (CTM) ho an’ny fampiroboroboana ny fizahantany amin’ny firenena roa tonta. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny hetsika ara-toekarena “Business forum Rwanda-Madagascar” nokarakarain’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Rwanda Development Board (RDB) izay tohanan’ny tetikasa PIC Madagascar, ny volana […]
VAOVAO TAMBATRA
Nampiofanina amin’ny fiompiana trondro ny tantsaha any amin’ny kaominina Ambodiriana Sahafary, distrika Nosy Varika, faritra Vatovavy. Karazan-trondro tilapia no nampianarina azy ireo, mba ahafahan’ny mponina mivelo-tena sady mahavelona. Nisahana ny fiofanana ny fitantanam-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Vatovavy. Ahina ho lany tamingana ny 90% amin’ny varika eto […]




