Hitombo ny laharam-pifandraisana eo anivon’i Orange Madagascar. Azo jifaina eny amin’ny botika orange, manomboka ny talata 7 novambra izao, ny laharana 037 izay manamafy ny 032. Mitovy amin’ny tolotra sy ny fampiasana ary ny tombontsoa azo hatramin’izay tamin’ny laharana 032 ny 037. Porofo izao fa mifampitohy ny fifandraisan-davitra. Tsy nitsahatra […]
Taratra
Ramamimampionona: “Vahaolana ve ny kianjan’ny 13 mey ?”
Fanontaniana zavontany izao… “Raha vao miteny hoe kianjan’ny 13 mey isika, zavatra mampihorohoro izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Lasa ao anatin’ny saina amin’izany ny hoe: tena tsy maintsy entina eny tokoa ve izay ho sorona? Na izay ny tena hoe tolona vao mety… Na koa hoe […]
Fahasalamana manakaiky vahoaka ; 40 000 ireo olona nisitraka ny tolotra nanomboka ny taona 2020
Mitohy nanomboka omaly sy anio ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, izay karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka izany, ny mponina eo anivon’ny fokontany Tetezana Afovoany, ao amin’ny Boriborintany voalohany. «Efa fahaenina isaky ny boriborintany no nanatanterahana ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ary manodidina ny 40 000 eo ireo olona nisitraka izany […]
62 taona ny Holafitra : vitsy anisa ny mpahay kaontim-bola
Miisa 170 ireo mpahay kaontim-bola am-perinasa. Manampy ny orinasa sy ny mpitantana amin’ny fitanam-bola ary ny fitsirihana izany, izy ireo. “Vitsy anisa saingy afaka misahana ny asa misy eto an-toerana ny mpahay kaontim-bola”, hoy ny filohan’ny Holafitry ny mpahay kaontim-bola, Andriamisa Ravelomanana, tetsy Andohatapenaka, omaly. Maro anefa ireo manao io […]
Vondron’ny kandidà: niverina ny hetsika taorian’ny 2 andro niatoana
Niverina indray ny hetsika Fotsy, an’ny vondron’ny kandidà, taorian’ny dinika maro samihafa. Somary nivoaka kely ny renivohitra izy ireo tamin’ny hetsika omaly ary sahala amin’izay ihany koa ny amin’ity anio ity. Nitohy teny amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka, ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny hetsika Fotsy nataon’ny vondron’ny kandidà, omaly. Sahala amin’ny mahazatra, nisy […]




