Mitohy nanomboka omaly sy anio ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, izay karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka izany, ny mponina eo anivon’ny fokontany Tetezana Afovoany, ao amin’ny Boriborintany voalohany.
«Efa fahaenina isaky ny boriborintany no nanatanterahana ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ary manodidina ny 40 000 eo ireo olona nisitraka izany nanomboka ny taona 2020», hoy ny tale misahana ny asa sosialy sy fahasalamana, ny dokotera Raharinandrasana Hajatiana. Ahitana tolotra ara-pahasalamana maro samihafa eny an-toerana. Anisan’izany, ny fandanjana zaza, ny fanomezana torohevitra ara-tsakafo, fivarotana koba aina miaraka amin’ny Nutri’zaza, fitiliana diabeta, fizarana fanafody, fanomezana ireo tolotra ara-tsosialy maro samihafa, fanaovam-baksiny ary hetsika ataon’ny fitaleavana ny Fahasalamana. Ankoatra izay, ahitana ireo tolotra vaovao toy ny fitiliana tiberkilaozy na raboka izay hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ihany koa nandritra izany.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny veliranon’ Iarivo ny hetsika, raha ny fanazavana. Tanterahina isaky ny tapa-bolana eny anivon’ireo boriborintany 6 ary mbola hitohy eny anivon’ny boriborintany faharoa indray izany.
Mino




